Alarobia 25 Febroary 2026

Satria zanaka ianareo, dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany, miantso hoe : Aba, Ray ô. Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka. Galatiana 4:6-7

 

Mpanompo sa zanaka ?

Ao amin’ny filazantsara dia misy tantara-na tovolahy iray nandao ny tranon-drainy ka nandanilany foana ny volany rehetra tamina fiveloman-dratsy (vakio Lioka 15:11-32). Rehefa fongana ny volany dia nanapa-kevitra izy hiverina any amin’ny rainy. Fantany fa ratsy fitondrantena izy, ary nihevitra fa tsy mendrika intsony ny hantsoina hoe zanaka. Te hangataka amin’ny rainy izy mba horaisiny toy ny iray amin’ireo mpiasany. Nefa nanomanan-drainy fandraisana tamina fety izy. Tsy nanam-potoana akory izy hitenenana hoe : „Ataovy tahaka ny anankiray amin’ny olona karamainao aho”, satria ho an’ny rainy dia tsy azo eritreretina izany. Namela tanteraka ny fahadisoany izy, nampiakanjo azy fitafiana vaovao, ary nampiditra azy indray ao an-tranony, araka ny maha zanaka an-trano azy.

Io fanoharana io dia maneho an-tsary ny fomba andraisan’Andriamanitra ny olona tsirairay mibebaka sy miverina aminy. Afaka miantehitra amin’ny fahasoavana izy, tahaka ilay tovolahy tsy mendrika. Raisin’Andriamanitra ho zanaka izy, fa tsy ho mpanompo.

Ry sakaiza malala mpino, tsy mahazo antsika ve ny manadino fa zanak’Andriamanitra isika ? Mieritreritra ny tsy fahamendrehantsika isika, ny fitondrantenantsika nivaona, ka manova ny fiainana maha kristiana antsika ho fisesisesena adidy ara-pivavahana mendrika hoderaina, mba hanandramana hahazo indray ny fankasitrahan’Andriamanitra. Nefa satria mino an’i Jesosy Kristy isika, dia „hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany” (Romana 3:24), ary nahazo „hery (nahazo zo) ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Efa nanao ny zavatra rehetra Andriamanitra, hahazoantsika famonjena mandrakizay, efa namelatra ny sandriny ho antsika ; Raintsika Izy. Mafy orina ho mandrakizay ny toerana maha zanaka antsika. Ndao hiroso mankany an-danitra, sambatra tsy satria hoe mpanompo, fa satria zanaka ankasitrahin’Ilay Raintsika any an-danitra, ankasitrahiny tanteraka !