Talata 24 Febroary 2026
(Hoy Jesosy tamin’ny Rainy, niresaka ireo izay mino Azy :) Mankany aminao Aho ; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. Jaona 17:13
Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. Jaona 15:11
Fantatrao ve fa tsy araka ny tokony ho izy ny tsy fisian’ny fifaliana ao amina kristiana ?
Ny fifaliana dia maneho ny fiainantsika anaty miaraka amin’ny Tompo, maneho ny fiombonantsika aminy, maneho ny fanantenantsika.
Ny fifaliana kristiana dia manampy mba hisintonana hanatona an’i Jesosy ny mpiara-belona amintsika, izay mbola tsy mino. Ahoana moa hahafahan’izy ireo mahita ny fifaliantsika satria an’i Kristy isika, raha toa isika mampiseho mandrakariva endrika malahelo na masiaka ?
Io fifaliana io dia manome hery koa ny kristiana. Hoy Andriamanitra tamin’i Nehemia, rehefa nanorina ny manda manodidina an’i Jerosalema izy, ka reraka ny vahoaka : „Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo” (Nehemia 8:10). Io fifaliana anaty io dia zava-dehibe fototra, mba hahafahana miatrika ny zava-tsarotra sy fahoriana eo amin’ny fiainana.
Koa inona àry no loharano ipoiran’io fifaliana io ? Tsy miankina amin’ny toejavatra iainantsika izy io, na amin’ny toetrantsika mihevitra ny zava-drehetra ho tsara, fa avy amin’Izy Tompo Jesosy mihitsy, Izay manome ho antsika „ny fifaliany” (Soratra Masina androany). Eny, na teo aza ny fijaliana rehetra nozakainy teo amin’ny fiainany, Jesosy dia nanana fifaliana lehibe sy nandefa taratra. Iriny mba ho fenon’io fifaliana io koa ny fontsika. Io dia tsy fifaliana miovaova arakaraka ny kisendrasendra mitranga eo amin’ny fiainana, fa fifaliana mitohy tsy mba miato, fifaliana feno fiadanana sy fahazoana antoka. Fifaliana mifamatotra ihany koa amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 15:10-11), mba hianoka mandrakariva ao amina fiombonana mahatretrika amin’ny Ray isika. „Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4). Tany an-tranomaizina ny apostoly Paoly no nanoratra io teny io ! Fantany Ilay loharanon’ny fifaliana.