Alatsinainy 23 Febroary 2026
Rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva. Matio 26:30
Nony namatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra Paoly sy Silasy ; ary nihaino azy ny mpifatotra. Asan’ny Apostoly 16:25
Alakamisy hariva tamin’izay, andro mialoha ny hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana. Niaraka tamin’ny mpianany roambinifolo lahy Izy, tao amina efitrano iray mitokana, nankalaza farany ny Paska niaraka tamin’izy ireo. Navesatra ny manodidina iainana, satria vao avy nilaza Jesosy hoe ny iray amin’ny mpianatra, miara-misakafo aminy eo, dia miomana hamadika Azy sy hanolotra Azy eo am-pelatanan’ny mpitarika ara-pivavahana, izay te hamono Azy. Nifampijery ny mpianatra, nalahelo sy very hevitra. Iza izany ? Tsy nisy nahavinavina ny fikasan’i Jodasy. Koa ho valin’ny fanontanian’i Jaona, dia nanondro ilay mpamadika i Jesosy, nanolotra azy sombi-mofo nolemany. Avy eo dia nivoaka i Jodasy, tamin’io alina io, mba hanatanteraka ny tetika hamadihany Azy, tetika nampangirifiry mafy ny Tompo. Vita ny sakafo, ary talohan’ny nialan’izy ireo tao amin’ny efitrano, dia nanao hira fiderana an’Andriamanitra izy ireo, araka ny fanao jiosy. Eny, nihira Jesosy, na dia fantany tsara aza izay zavatra miandry Azy rahafaka ora vitsivitsy ! Nasehony tamin’izany ny fiadanana mitoetra ao anatiny. Miaraka aminy ny Rainy (Jaona 16:32). Iza amintsika no ho afaka mihira ao anaty toejavatra toy izany ?
Taona maromaro tatỳ aoriana, kristiana roalahy, Paoly sy Silasy, dia nosamborina satria nanambara an’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 16). Nendahina ny akanjon’izy mirahalahy, nokapohina nandritra ny fotoana ela izy ireo, avy eo natsipy tao an-tranomaizina. Voaboloky ny tongony tao, nefa tsy mba nitaraina izy ireo na nikiakiaka noho ny fanaintainana. Tsia, fa nihira fiderana an’Andriamanitra izy ireo ; ary nihaino azy ny mpifatotra. Mbola asehon’izany indray fa zavamisy azo tsapain-tanana ny fiadanana omen’i Jesosy ny olony, na ao anatin’ny toejavatra faran’izay ratsy aza !