Alahady 22 Febroary 2026
Nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy : Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ! Jaona 1:29
Izy (Kristy) nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo. 1 Petera 2:24
Ny atao hoe solo voina dia olona na andian’olona nosafidina hiantsoroka andraikitra iray tsy misy idirany na mikasika azy amin’ny ampahany.
Avy amin’ny Baiboly io fiteny io. Voasoritsoritra ao amin’ny Testamenta Taloha ireo fombam-pivavahana fanaon’ny vahoaka Israely isantaona. Iray amin’ireny andro firavoravoana ireny ny fetin’ny Famelan-keloka Lehibe, „Yom Kippour” amin’ny teny hebreo. Mampaka osilahy iray i Arona mpisoronabe. Apetrany eo amin’ny lohan’ilay biby ny tanany roa, ary miteny mafy izy miaiky heloka, izany hoe mitanisa ny fahadisoana rehetra sy tsy fankatoavan’ny Israelita. Toy ny hoe afindrany eo amin’ilay biby ireo.
Avy eo dia alefa any an-taniefitra ilay osilahy (ny osilahy ho an’i Azazela, Levitikosy 16:26) : lasany miaraka aminy, any amina tany tsy misy mponina, ny fahotana rehetra nataon’ny Israely. Izany no iantsoana azy io hoe „osilahy nalefa”, na „solo voina”. Mamoy ny ainy ilay osilahy, misolo toerana ny Israelita ; manjary afaka eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, afaka tamin’ny fahadisoana nataony nandritra ny taona lasa. Ny androtr’io ihany ny mpisoronaben’ny Israely dia miditra indray mandeha ao anatin’ny taona, ao amin’ny fitoerana masina misy an’Andriamanitra.
Io osilahy io dia manambara mialoha an’i Jesosy Kristy. Izy koa dia natao solo voina ho ahy. Noraisiny teo amin’ny tenany ny ratsy rehetra nataoko. Nanao izany Izy, nanaiky hohomboana eo amin’ny hazofijaliana sy hotsaraina, nisolo toerana ahy, noho ny fahadisoana rehetra vitako. Nanolotra ny ainy ho ahy Izy, ary nanafaka ahy tamin’ny vokatry ny fahotako. Nataony afaka mahafantatra an’Andriamanitra aho, afaka manatona Azy, tsy indray mandeha monja ao anatin’ny taona anefa, fa isanandro tsy tapaka, mandritra ny fiainako manontolo.