Asabotsy 21 Febroary 2026

Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo ? Tsy izao va no iaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo ? Jakoba 4:1

Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra… Aza mamaly ratsy. Romana 12:18-19

 

Ny ady, zavatra tsy misy heviny

Nandritra fitsidihana tany amina tanàna iray any Ukraine dia nanambara ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana hoe : „Ady : zavatra tsy misy heviny, amin’izao taonjato faha-21 izao”. Fanambarana mitombina tanteraka !

Nefa ho nivoatra ve ny olombelona, ary ho nitsahatra ve ny fifandonana eo amin’ny samy firenena ? Nofinofy ihany izany ! Mbola asehon’ireo ady mandraka ankehitriny, ary hitan’ny rehetra eny amin’ny haino aman-jery, ny fifankahalan’ny olombelona sy ny zava-mampihoronkoditra mety ho vitany.

Ny Baiboly dia mampahatsiahy antsika ny fironana ratsy ao anatin’ny fontsika voajanahary : „Ny tongony mimaona handatsa-dra ; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany ; ary ny làlan’ny fiadanana dia tsy fantany” (Romana 3:15-17). Porofon’izany ny fanamboarana fitaovam-piadiana miha raitra sy matanjaka kokoa hatrany. Tsy nanova ny olombelona ny nofinofin’ny fivoarana ara-piarahamonina sy ara-teknika. Tsia, tsy nihatsara tsy akory ny fon’ny zanak’olombelona, hatramin’izay nisiany. Ahoana no hanovana azy ?

Niteny ny mpaminany fahiny hoe : „Manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo” (Ezekiela 18:31). Tsy mahay manova ny tenany amin’ny ezaka ataony anefa ny olona. Na ny fanabeazana, na ny kolontsaina, na ny pôlitika, na ny fiarahamonina dia tsy afaka manova hatrany am-potony ny fo maha olona. Andriamanitra irery ihany no mahay manao izany fahagagana izany, ao amin’izay mino Azy sy mankatò ny Teniny : „Homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo” (Ezekiela 36:26). Dia mameno ny fontsika ny fiadanan’Andriamanitra, ary afaka mampiseho izany koa isika, eo amin’ny manodidina antsika. „Sambatra ny mpampihavana” (Matio 5:9).