Zoma 20 Febroary 2026
(Hoy Jesosy :) Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Jaona 12:32
Michelangelo Buonarroti (1475-1564) —Michel-Ange- dia iray tamin’ireo mpanakanto lehibe indrindra tany amin’ny firenena tandrefana. Mpanao hosodoko, sokitra, ary maritrano no nahafantarana azy voalohany indrindra, nefa namela tononkalo kanto vitsivitsy koa izy. Ny iray amin’ireo, nosoratany tamin’ny faramparan’ny fiainany, dia mampitaha ny 80 taona niainany amina fiampitana lavabe eny ambony sambo, eo amina ranomasina misamboaravoara. Nazava tsara tao an-tsainy fa hampamoahina ny amin’ny fiainany izy rehefa hifarana ny diany, ary fantany fa tsy hahavonjy azy ny talentany ara-javakanto. Koa nijery tany aloha izy, namarana ilay tononkalo amin’ny teny hoe : „Na ny hosodoko, na ny sary sokitra dia tsy hahababo ahy intsony, manomboka izao : ny fanahiko dia atolotro tanteraka an’Ilay Andriamanitra tia ahy, namelatra ny sandriny teo amin’ny hazofijaliana mba handray antsika ho eo”.
Takatr’i Michel-Ange fa tsy afaka hanamarina antsika eo anatrehan’Andriamanitra ny asa aman-draharahantsika, na izay kanto indrindra aza. Rehefa mitodika amin’i Jesosy isika, Izy Ilay nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny fitsarana sahaza ny fahotantsika, vao afaka mahazo ny famonjena ny fanahintsika, ny famelan-keloka, ary ny fiainana mandrakizay.
Ny sandrin’Ilay voahombo teo amin’ny hazofijaliana, nivelatra teo, no maneho faratampony ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy tian’Andriamanitra ho very ireo izay lavitra Azy. Antsoiny izy ireo mba hanana fifandraisana aminy indray, ary raisiny ho zanany. Hoy Jesosy : „Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” (Jaona 3:14-15).