Alakamisy 19 Febroary 2026
Mijanòna kely ianao, hilazako ny tenin’Andriamanitra. 1 Samoela 9:27
Izao no andro hitadiavana an’i Jehovah. Hosea 10:12
Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12
Isika dia miaina anaty vanimpotoana izay toa mampandeha haingana kokoa hatrany ny zavatra rehetra. Nitombo haingana ireo fanavaozana ara-teknika, nandritra ny taonjato faha-20 ; nefa mbola mahery mandeha mafy kokoa noho izany ny fiovana ara-kajimirindra, ary toa tsy misy fetrany. Eo amin’ny sehatra rehetra isika dia miaina hazakazaka ho amin’ny fifaninanana zava-tsara vita sy ny fahazoana tombony amin’ny fotoana. Miantraika eo amin’ny fiainantsika araka asa sy ara-pianakaviana izany, eo amin’ny fifandraisantsika, eo amin’ny fivezivezentsika, eo amin’ny fomba fanjifantsika. Mihamandeha haingana kokoa hatrany ny zavatra rehetra, nefa dia mbola mitaraina ihany ny tsirairay hoe tsy misy fotoana !
Ny fiainantsika ve tsy mihatototra zavatra hatao tsy hita isa ? Nefa ve mba haintsika refesina ny halavan’ny fotoana lanintsika manoloana efijery iray, mba hialana voly ?
Aza manaiky ho safotr’io tafofo-tsary sy feo mandrendrika antsika io isika. Ndao hiato ankehitriny, mba hamaky na hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Miteny amintsika Izy ao amin’ny Baiboly, na inona na inona fitaovana ampitana izany, na an-tsoratra, na am-bava na ara-kajimirindra. Nefa io Teny velona io dia te hampahalala antsika ihany koa ny fomba hahazoantsika „fo hendry”, dia ny mandray amin’ny finoana ny famelan-keloka ao amin’i Jesosy, ary ho vita fihavanana amin’Andriamanitra ; nefa ihany koa, amin’ny maha mpino antsika, dia ny hiaina fiainana mifantoka amin’i Jesosy Kristy sy ireo tombontsoany, ary matoky ny fiahiany.
Indray andro any Izy, Ilay Mpahary antsika, dia hampamoaka ny amin’izay nampiasantsika ny fotoana nomeny antsika. Ndao hahay hifehy ny laharan-kamehana eo amintsika, hahay hanao ireo safidy tsara, ary hanome Azy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika.