Alarobia 18 Febroary 2026

Tsy misy tsiny ny lalànan’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy. Salamo 19:7

(Hoy Jesosy :) Lazaiko aminareo marina tokoa : Mandra-pahafoana ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Matio 5:18

 

Fampitana ny Baiboly : boky soratanana tany amin’ny Ranomasina Maty

Tamin’ny taona 1947 dia nisy tovolahy iray mpiandry ondry, nitady ondry very, niditra tao anaty lavabato mandondona ny Ranomasina Maty. Tao izy dia nahita siny tany valo nirakitra boky soratanana, izay nentiny tany amina mpivaro-javakanto tranainy iray tany Betlehema. Iray volana tatỳ aoriana dia voamarina ny maha sarobidy ireo soratanana ireo, ary dia natolotra an’i W. Albrigth, mpahay fahagola malaza ireo. Tatỳ aoriana dia mbola nisy soratanana hafa, hita tany amin’ilay faritra, fantatra amin’ny anarana hoe Qumrân. Noporofoin’ireo manampahaizana indrindra eran-tany fa ireo teo am-pelatanana ireo dia anisan’ny tranainy indrindra tamin’ny boky maro ao amin’ny Testamenta Taloha, amin’ny teny fototra nanoratana azy, ary feno ho an’ny boky sasantsasany. Nosoratana tanelanelan’ny taonjato voalohany sy faha-3 talohan’i Jesosy Kristy ireo boky ireo. Talohan’izany, ny Baiboly tranainy indrindra tamin’ny teny hebreo dia nosoratana tamin’ny taonjato faha-10 taorianan’i Jesosy Kristy.

Voatahiry tsy nisy simba ireo horonana hodi-biby ireo, noho ny antony maromaro. Ilay lavabato dia nanana refy hamando manakaiky ny aotra, ary ireo antontan-taratasy dia voaro tsy tratran’ny hazavan’ny masoandro, satria napetraka tanaty siny tany. Rehefa ampitahaina amina soratanana hafan’ny Testamenta Taloha izy ireo, dia hita fa mitovy ny lahatsoratra, ankoatra izay fahasamihafana kely fotsiny.

Izany dia fahitana ny iray tamin’ireo an’ny hay fahagola lehibe indrindra tamin’ny taonjato faha-20. Ireo boky soratanana ireo dia nanan-jara tamin’ny fanamafisana ny maha marina sy ara-tantara ny Baiboly, izay matetika nenjehina nandritra ny taonjato nifandimby. Nahazo fankaherezana ny kristiana, no afaka manambara hoe : Eny, mendrika hitokiantsika tanteraka ny Tenin’Andriamanitra. Ndao hamaky azy, handinika azy, hizara azy ! „Maina ny ahitra, malazo ny voniny ; fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay” (Isaia 40:8).