Talata 17 Febroary 2026

Fantatro … fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra. Mpitoriteny 8:12

Fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Fahazoana antoka

„Ireo izay matahotra an’Andriamanitra”, iza moa izy ireo ? Tsy ireo izay mangorohoro rehefa mieritreritra Azy tsy akory, fa ireo izay manaja Azy, ka matahotra hanao izay tsy sitrany, satria tia Azy.

Fahazoana antoka tsy fahita toy inona moa, ny an’izy ireo ! Fantatr’izy ireo fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa azy ireo, ary hizotra tsara ho azy ireo ny zavatra rehetra.

Midika ve izany fa tsy hanjo azy ireo ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fitsapana, ny ranomaso ? Tsia dia tsia. Tsy nampanantena na oviana na oviana Jesosy hoe ho mora ny fiainana manomboka amin’ny fotoana hinoan’ny olona iray Azy. Tsy nafeniny tamin’ny olony fa hisedra ny fanoherana avy amina tontolo mankahala ny Kristy izy ireo. Tsy hoe ho lavitry ny zava-tsarotra mifamatotra amin’ny toetra maha olombelona ihany koa izy ireo, miaraka amin’ny hasorenana tsy hita isa eo amin’ny fiainana isanandro, ny aretina, ny fahafatesana, ny fahoriana lalina, ary koa ny fifaliana.

Nefa ny fampanantenana nomeny antsika kosa —ary hazoniny- dia ny hiarahany amintsika mandritra ny amakivakiantsika ireny trangan-javatra rehetra ireny. Ary ireny zavatra rehetra ireny dia avelan’Ilay Ray mamy hitranga, Ilay Ray mikatsaka ny tena hahasambatra antsika. Tiany ho tonga saina ireo izay tia Azy fa ny fahafahampo marina sy maharitra dia tsy mifamatotra amin’ireo toejavatra miovaova eto amin’izao fiainana izao tsy akory, fa amin’ny fiombonam-panahy aminy. Ny tiany dia ny hampanatona antsika Azy, hametraka ny fiadanany ao am-pontsika, hampiaina antsika eo amin’ny fanatrehany. Ary amin’izany, raha tsy maintsy mampiasa ny fitsapana Izy indraindray, dia mba hahazoantsika tombony mandrakariva, mba hanisy soa antsika any am-parany (Deoteronomia 8:16).