Alatsinainy 16 Febroary 2026
Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Jaona 11:25-26
Tany an-toerana lavidavitra an’i Jerosalema i Jesosy no nandre vaovao ratsy, hoe marary mafy i Lazarosy sakaizany. Lazarosy dia nonina tany Betania, akaikin’i Jerosalema, niaraka tamin’ny anabaviny roa. Izy mirahavavy no nampita tamin’i Jesosy io antso vonjy maika dia maika io. Matetika Jesosy no noraisin’io ankohonana io tao aminy.
Na izany aza anefa, dia tsy mba mirotoroto Jesosy, Izy Izay nanasitrana marary maro aoka izany. Tony Izy nilaza fa mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra no anton’io aretina io ; dia nandrasany ny fotoana hilazan’Andriamanitra aminy handeha any Betania.
Nandritra izany fotoana izany dia nihombo ny aretin’i Lazarosy ; dia maty izy. Rehefa tonga Jesosy, dia efa nilevina hefarana izy. Izy mirahavavy dia samy nandray Azy tamin’ny teny hoe : „Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko” (Jaona 11:21, 32). Nefa tsy nanao fialan-tsiny Jesosy na nanome fanazavana. Nangataka hijery ny fasana Izy. Nitomany Izy, naneho fiombonam-po manoloana ny fahoriana ateraky ny fahafatesana, ka nampiseho fa tsy hoe tsy niraika velively tamin’ny zavamisy Izy. Avy eo Izy dia nanatanteraka izay efa nokasain’Andriamanitra : nivavaka tamin’ny Rainy Izy, nahazo antoka fa henoiny mandrakariva, ary tamin-kery no nananganany an’i Lazarosy ho velona indray.
Manaitra antsika ny fahatonian’i Jesosy, manoloana vaovao ratsy. Isika dia azo antoka fa ho nihazakazaka nankany amin’izy mirahavavy mba hampionona azy. Izy ireo kosa dia niandry an’i Jesosy mba hanasitrana ny anadahiny. Nefa Jesosy dia tsy mba dodona na oviana na oviana, ary tsy nikoropaka tahaka antsika matetika. Satria fantany fa tsara ny anaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, dia nankatò tsotra fotsiny Izy, ka mahazo haja Andriamanitra !