Alahady 15 Febroary 2026

Ny tena mpivavaka (Ny tena mpitsaoka) hivavaka amin’ny Ray (hitsaoka ny Ray) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy (ny mpitsaoka Azy) ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy (mitsaoka Azy) tsy maintsy mivavaka (mitsaoka) amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Jaona 4:23-24

 

Mivavaka amin’Andriamanitra (Mitsaoka an’Andriamanitra)

Fantatrao ve ilay antsoina hoe „Palais Idéal du facteur Cheval (Lapa idealin’i Cheval mpizara taratasy sy entana)”, any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa ? Ferdinand Cheval dia nahazo aingam-panahy avy tamin’ny voary, nefa ihany koa avy tamin’ireo sary karatra voalohany sy gazety boky misy sary nozarainy. Nanokana 33 taona teo amin’ny fiainany izy, nanorenany samirery trano mampitolagaga, voasokajy ho vakoka ara-tantara, tamin’ireo vato notsimponiny teny am-pitetezany faritra noho ny asany. Ny manaitra kokoa noho ny maritranon’io trano io, izay miavaka tsy misy toa azy, dia ireo teny indrana maro voasokitra eny amin’ny vato. Afaka manintona ny saina ny iray amin’ireo, hoe : „Tsy misy afaka miala amin’ny anjarany, fa toy ny vatany an’ny tany sy ny fanahy an’ny mandrakizay. Ry zavaboary, ny Mpahary anao irery ihany no hitsaohanao”.

Hoy ny Baiboly amintsika : „Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony ; dia tonga olombelona izy” (Genesisy 2:7). Ary rehefa maty isika dia hiverina amin’ny tany ny vatantsika, satria „vovoka ianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray ianao” (Genesisy 3:19).

Nefa miteny amintsika koa ny Baiboly hoe ny fanahintsika dia tsy mba mety maty, ary amin’ny alalany no ahafahantsika mifandray amin’Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitry ny lanitra. „Fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7).

Mpahary izao rehetra izao Andriamanitra, ary maniry ny hitsaohan’ireo rehetra noarìny sy tiany (andinin-tSoratra Masina androany), ary amin’izany Izy dia nampahafantatra ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, sy ao amin’ny Baiboly, izay Teniny. Tsy tiany ny hitsaohana Azy tahaka „Andriamanitra tsy fantatra”, toy ny ataon’ny Ateniana (Asan’ny Apostoly 17:23), fa araka ny maha Andriamanitra Mpamonjy sy Ray any an-danitra Azy. Toy izany ve ny ahafantaranao Azy ?