Asabotsy 14 Febroary 2026
Aiza no hialako amin’ny Fanahinao ? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao ? Salamo 139:7
Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy ; Ianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko. Salamo 73:28
Ny Ray dia tia anareo. Jaona 16:27
Nahoana no maro aoka izany ny olona baikoin’ny saimbatany ka manilika ny fiheverana momba an’Andriamanitra ? Tsy satria ve matetika tsapan’izy ireny fa tsy mifanaraka amin’ny fanatrehan’Ilay Andriamanitra masina ny toetrany ? Koa tsy miatrika izany toejavatra izany izy ireo, fa manao tari-dositra, ary aleony manafoana an’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fiainany, aleony mandà ny fanambarana rehetra manaporofo ny fisian’Andriamanitra. Ailik’izy ireo io eritreritra io, ezahiny hadinoina sy ariany dia amin’ny fomba rehetra azo atao.
Azo antoka fa io fahatahorana hihaona amin’Andriamanitra io dia miorina amina tsy fahafantarana tsara ny toetrany.
Indray andro any Andriamanitra dia ho Mpitsara izay nataon’ny olona tsirairay, na nolazainy, na neritreretiny : manambara mazava izany ny Baiboly. Nefa manambara mafy toy izany koa, fa Andriamanitra dia mamindra fo sy mamela heloka. Tsy nijanona tany an-danitra nisy Azy tany Izy, toy ny hoe tsy miraharaha ny toerana misy ny olona, tsy miandry afa-tsy ny fotoana fitsarana farany. Mifanohitra amin’izany aza, fa nanatona ny zavaboariny Izy, naniraka tetỳ an-tany an’i Jesosy Kristy Zanany mba hanafaka ny olona amin’ny fatorany, hanafaka azy ireo amin’ny fahotany. Jesosy dia tsy tonga tahaka vadintany hanao „fakam-pananana” noho ny trosa tsy voaloa, fa kosa hanefa ny trosan’ny olona, vokatry ny tsy fankatoavany Ilay Mpahary azy. Io trosa io dia efa nefain’i Kristy manontolo, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Eo anatrehan’Andriamanitra isika dia tsy manana intsony, afa-tsy trosam-pankasitrahana, noho ny famelan-keloka nomeny antsika maimaimpoana tao amin’i Jesosy Kristy. Dia afaka manatona an’Andriamanitra am-patokiana feno isika. Nanjary Raintsika Izy.