Zoma 13 Febroary 2026
Ary Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe : … Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. Joba 42:1, 4
Dia nanokatra ny sain’ireo Izy (Jesosy) hahalala ny Soratra Masina. Lioka 24:45
— Inona no hisy aorianan’ny fahafatesana ?
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana… (Hebreo 9:27).
— Hampamoahin’Andriamanitra ve aho ?
Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra (Romana 14:12).
— Andriamanitra ve mahalala ny fiainako manontolo ?
Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’izay iafaran’ny ataontsika (Hebreo 4:13).
— Raisin’Andriamanitra ho meloka ve aho ?
Tsy misy marina, na dia iray akory aza (Romana 3:10).
— Inona no mendrika ho ahy, araka ny fahamarinan’Andriamanitra ?
Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray, ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra (Romana 5:12).
— Tian’Andriamanitra ho very ve aho ?
Ny Tompo … mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra (2 Petera 3:9).
— Afaka mamonjy ahy ve Izy ?
Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra… Jesosy Kristy, Ilay Marina… no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa (1 Jaona 1:7 ; 2:1-2).
— Ahoana no hahafahako mahazo io famonjena io ?
Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao (Asan’ny Apostoly 16:31).