Alakamisy 12 Febroary 2026
Hoy koa Izy (Jesosy) : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy misy mpaminany izay ankasitrahina ao amin’ny taniny. Lioka 4:24
Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68
Io oha-pitenenana io dia midika fa eo anivon’ny olona akaiky antsika no tsy hihainoana antsika indrindra, tsy handraisana am-pahamatorana izay lazaintsika.
Avy ao amin’ireo filazantsara io fiteny io. Taterin’ny filazantsara efatra izy io, entin’i Jesosy milaza ny fomba nandraisana ny hafatra nentiny tao Nazareta, ilay tanàna nahalehibe Azy. Rehefa niverina tao amin’ny tanàna niaviany mantsy Izy, mba hanao ny asa fanompoany feno fahasoavana sy mba hanasitrana, dia naneso Azy ny vahoaka, ary tsy nahita afa-tsy ny maha zanak’i Josefa mpandrafitra Azy ; nefa dia Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra. „Ary nony tonga tany amin’ny taniny Izy, dia nampianatra ny olona tao amin’ny synagoga, ary talanjona ny olona ka nanao hoe : Avy taiza re no nahazoan’Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany ? Tsy Ilehity va ilay Zanaky ny mpandrafitra ? Tsy Maria va no anaran’ny reniny ?… Ary tafintohina taminy izy. Fa hoy Jesosy taminy : Tsy misy mpaminany tsy hajaina, afa-tsy amin’ny taniny sy ny mpianakaviny ihany” (Matio 13:54-57).
Mahagaga antsika angamba ny fihetsik’ireo olona ireo, izay tsy nahita tao amin’Ilay Jesosy manetry tena, akaiky dia akaiky azy ireo, Ilay Mesia nandrasan’izy ireo. Nahasolafaka azy ireo (izany no dikan’ny hoe „tafintohina”) ny tsy finoan’izy ireo, ka nanakana azy ireo tsy hahita ny halehiben’Ilay Zanak’Andriamanitra. Fa ahoana kosa ny amintsika ? Jesosy ve, amintsika, mpanao soa fotsiny ihany, mpandala ny maha olona, Ilay mpanorina fitsipi-piainana tsara ? Sa raisintsika ho Ilay Mpamonjintsika, Ilay Andriamanitra Olona nanatona akaiky dia akaiky antsika, mba hitondra ho antsika ny hafatra manambara ny fitiavan’Andriamanitra ? Toerana inona no omentsika Azy, eo amin’ny fiainantsika ?