Alarobia 11 Febroary 2026

Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany. Salamo 19:1

Nampitenenany (nampitenenin’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:2

 

Tsy nahita an’Andriamanitra izy

Indray andro i Alain, tompona rova kely, dia notsidihin’olom-pantany iray, izay nandratra mafy azy tamin’ny fomba fiteniny maniratsira.

— Tsy matahotra ny hanevateva an’Andriamanitra ve ianao, amin’izany fiteninao izany ?

— Tsia, mbola tsy nahita Azy aho, na oviana na oviana, hoy izy namaly.

Ny ampitso ity mpitsidika dia nijery ny manodidina ilay toerana, ary nahita sary hosodoko iray nanintona ny masony.

— Iza no nanao io hosodoko io ?

— Ny zanako lahy, hoy i Alain. Avy eo izy roa lahy dia nitety ireo zaridaina nisy zavamaniry kanto aoka izany, namboarin’ny zanak’ilay tompon-trano koa. Nanaraka izany dia nankany amin’ny tanàna kely nifanakaiky taminy, nitsidika trano sekoly nohavaozin’io zanaka lahy io koa, maimaimpoana.

— Tena maro toetra tsara ny zanakao ! hoy ilay mpitsidika.

— Ahoana no ahafantaranao izany ? Mbola tsy nahita azy velively ianao.

— Nefa hitako ny zavatra nataony ka !

— Hay, jereo àry io renirano io, ireo havoana ireo, ny tendrombohitra erỳ lavitra erỳ, ny masoandro manome antsika ny hafanany sy ny hazavany ; tsy nahita an’Andriamanitra ianao, nefa mahita ny asany rehetra.

Andriamanitra dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny voary, izay mampiseho amintsika ny heriny, nefa ihany koa ny fahasoavany sy ny fitiavany. „Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra” (Joba 37:14). Manoatra noho izany aza, Andriamanitra dia naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, Izay nirahiny tetỳ an-tany mba hamela ny fahotantsika sy hanome antsika fiainana mandrakizay. Tamin’ny asa nataony, ny teniny, ny fitondrantenany, Jesosy dia nampiseho tamintsika hoe iza moa Andriamanitra. Niteny Izy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Manoloana ireo porofo rehetra ireo, porofon’ny hery sy fitiavan’Andriamanitra, tsy te hanatona Azy ve ianao ?