Talata 10 Febroary 2026

Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao. Salamo 50:15

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16

 

Ny lakana amin’ny fotoana ilàna azy

Miady mafy amina aretina homamiadana mihombo ity tovolahy iray. Mihena ny heriny, mijaly izy tsy afaka manampy intsony ireo rahalahy sy anabaviny kristiana. Tsy maharaka intsony ny vatany, ary mahangirifiry azy izany.

Dia tsapany fa manome hery azy Andriamanitra, nefa tsy ho amin’izay tiany hatao, fa ho amin’izay tokony hataony. Ary nanafaka azy izany eritreritra izany. Matoa izy tsy omen’Andriamanitra hery hanao izay tiany hatao, dia satria tsy maintsy iandraiketan’olona hafa izany, na afaka miandry. Koa nangatahiny Andriamanitra mba hampiseho azy ny fomba hampiasany ny hery keliny, hanatanterahany izay zavatra nomaniny ho azy. Rehefa tsy afaka manao na inona na inona intsony izy, dia mahatsiaro ilay nambaran’i Hudson Taylor hoe : „Osa loatra aho ka tsy mahahevitra na mahavavaka, nefa afaka matoky Azy”.

Fampaherezana toy inona moa ny nahafantarany fa Andriamanitra tsy mitsara azy araka ny zava-bitany tsara indrindra ! Zava-dehibe lavitra ho an’Andriamanitra ny maha izy azy, izay tiany hitovy bebe kokoa hatrany amin’i Jesosy Kristy.

Satria kristiana izy, dia tsy ny fahafatesana no atahorany, fa ny fijaliana mety hialoha izany. Manahy ny ho faty sempotra izy, manahy ny hijaly mafy. Nefa rehefa tonga io fanahiana io, dia tsaroany ny tenin’i Charles Spurgeon hoe : „Ry rahalahy, ny herimpo iatrehana ny fahafatesana dia tsy ilainao alohan’ny fotoana ahatongavany. Koa hataonao inona io herimpo io, raha mbola velona ianao ? Tsy mila lakana ianao, raha tsy amin’ny fotoana ahatongavanao eo amoron’ny ony. Aleo mangataka amin’Andriamanitra ny herimpo hiainana, dia hanome voninahitra an’i Jesosy ianao amin’izay, ary hanana ihany koa ny herimpo hiatrehana ny fahafatesana, rehefa tonga ny fotoananao.”

Araka an’i Norbert Ammon