Alatsinainy 9 Febroary 2026
Lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy (Jesosy) amin’ny teniny. Matio 22:15
Tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ny olona izany teny izany, sady gaga izy noho ny famaliny, ka nangina. Lioka 20:26
Tojo ny fanoheran’ireo lohandohany ara-pivavahana Jesosy. Ny fampianarany sy ny fitondrantenany dia nanameloka azy ireo, ary velom-pialonana izy ireo, satria Jesosy nahasintona vahoaka maro.
Niezaka hatrany ireo tompon’andraikitra ireo hitsipaka izay nolazainy, ary nandà tsy hanaiky fa Izy Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, izany hoe Andriamanitra ihany koa (Jaona 5:18). Nolazain’izy ireo mihitsy aza fa manana demonia sy efa very saina Izy (Jaona 10:20).
Niezaka izy ireo, nefa tsy nahomby, hahasadaikatra an’i Jesosy sy handiso Azy amin’ny teniny : indray andro dia nisy vehivavy tratra nijangajanga nentina teo aminy, ary nanantena izy ireo hamandrika Azy amin’ny lalànan’i Mosesy. Raha toa Izy mandidy hitora-bato ilay vehivavy, araka izay takin’ny lalàna (Levitikosy 20:10), dia aiza ny fahasoavana ? Fa raha miaro azy kosa Izy, dia manohitra ny lalàna. Tony Jesosy nanome azy ireo valinteny hendry hoe : „Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany”. Niala maina ireo fahavalony, nangaihay tanteraka.
Teo amin’ny fiafaran’ny fanompoany ampahibemaso Jesosy dia namboraka tamintsika ny tsiambaratelon’ireo valinteniny : „Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko” (Jaona 12:49).
Ry kristiana, manoloana olona manohitra ny finoana sy mpitsipaka ny mpiara-belona, dia tsara alaintsika tahaka io fahatoniana mamaritra ny toetran’i Jesosy io. Satria Izy mampanantena fa hanome antsika ny fahendrena sy ny valinteny tandrify (Lioka 21:14-15).
„Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon’ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo” (Hebreo 12:3).