Alahady 8 Febroary 2026

Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany, ho avotra noho ny fahotantsika. 1 Jaona 4:10

Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika. 1 Jaona 3:16

 

Ny hafatra entin’ny hazofijaliana

Ny Lalàna nomena an’i Mosesy fahiny dia andiana didy maromaro. Voafintina toy izao izy io : „Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra”, ary „Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Lioka 10:27).

Rehefa tonga Jesosy, dia notsapaina mbola tsy nisy toy izany ny fahafahan’ny olona mitia an’Andriamanitra. Teo tokoa mantsy Andriamanitra tenany mihitsy, niaina teo anivon’ny olona, tao amin’ny tenan’ny Zanany. Nazava miharihary ny vokatry ny fitsapana : tsy vitan’ny hoe tsy tia an’Andriamanitra ny olona, fa tena nankahala Azy mihitsy. Taloha kelin’ny nahafatesany, Jesosy dia nanao ny fiekena mahonena hoe : „Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa… fa ankehitriny efa hitany sady efa hàlany Aho sy ny Raiko koa” (Jaona 15:23-24).

Niseho miharihary io fankahalana io, rehefa nanilika an’i Jesosy ny olona, tamin’ny nanomboany Azy teo amin’ny hazofijaliana, tahaka jiolahy. Ireo lohandohany ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany no voalohany nankahala Azy sy nitady ny hahafaty Azy. Araka izany, ny fanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia nampiharihary ny fankahalan’ny olona an’Andriamanitra.

Nefa ny hazofijaliana dia mitondra ihany koa hafatra iray hafa. Ho valin’izany fankahalana izany, ny hazofijaliana dia manambara ny fitiavana tsy misy fepetra itiavan’Andriamanitra ny olona : Andriamanitra dia tia ny olombelona, mpikomy sady hala (Romana 1:30 ; Titosy 3:3). Tia azy ireo tokoa Izy, matoa nanao sorona ny Zanany malalany, ary nampisolo toerana azy ireo, nizaka ny fanamelohana mendrika ny fahotan’izy ireo. „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8) : izany àry no hafatra mampihetsi-po entin’ny hazofijaliana. Raiso am-pinoana, am-pitolagagana ary am-pankasitrahana io hafatra io : io no miavaka indrindra, amin’ny hafatra rehetra !