Asabotsy 7 Febroary 2026
Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana, ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 8:1
Matetika no misy fetr’andro eo anelanelan’ny fotoana anononan’ny fitsarana didy sy ny fotoana ampiharana ny sazy.
Izany no nitranga, teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Adama, ilay lehilahy voalohany, dia tsy nankatò baikon’Andriamanitra iray. Vokatr’izany dia niampita tamin’ny taranaka rehetra nifandimby ny ota, tahaka toetra simba nolovaina tamin’ny ray aman-dreny, ka manota avokoa ny tsirairay eo amin’ny fiainany (Romana 5:12). Angamba isika tsy namono olona na nangalatra, nefa inona no holazaina momba ireo zavatra rehetra mahamenatra nataontsika ? na tamin’ny asa, na teny, na fihevitra.
Koa mianjera amin’ny olombelona tsirairay tsy ankanavaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra : „Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana…” (Hebreo 9:27). Io didim-pitsarana io dia ny fahalavirana an’Andriamanitra ho mandrakizay, fahalavirana antsoin’ny Baiboly hoe „fahafatesana faharoa” (Apokalypsy 21:8).
Soa ihany fa teo anelanelan’io fanamelohana mampivarahontsana sy fampiharana azy io, dia nisy toejavatra lehibe fototra, nitranga teto an-tany : nirahin’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao Jesosy Kristy Zanany. Tsy tonga tsy akory Izy mba hanakiana ny didim-pitsaran’Andriamanitra : tsy maintsy nampiharina ny fanamelohana. Dia nisolo antsika nizaka izany Jesosy, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, mba hanafaka antsika. Izany no fitiavan’Andriamanitra… Ny fahamarinan’Andriamanitra dia tsy afaka nanao ho zava-maivana, na iray monja aza, amin’ireo fahadisoantsika, ary miaraka amin’izany, ny fitiavany koa dia naniry hanafaka ny tsirairay amin’ilay fanamelohana mampivarahontsana.
Nanomboka hatreo, ireo rehetra matoky an’i Jesosy dia mahafantatra fa tsy hampiharana na oviana na oviana ny didim-pitsaran’Andriamanitra (Romana 8:1). Nanjary Rain’izy ireo Ilay Mpitsara. Afaka migoka ny fitiavany mandrakizay izy ireo. Fahasambarana toa inona moa izany !