Zoma 6 Febroary 2026
Aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy. Hebreo 12:1-2
Nahoana no mitanondrika ?
Ry kristiana, nahoana no mitanondrika,
Mijery ny tenanao samirery,
Miantehitra amin’ny ezaka ataonao ?
Jereo Jesosy any an-danitra,
Ny sandriny matanjaka sy mahery,
Ny fitiavany mahatalanjona.
Nahoana no mitanondrika,
Malahelo noho ny fahalemenao,
Noho ny sakantsakana eny amin’ny lalana ?
Jereo Jesosy any an-danitra,
Izay mihazona ny zavatra rehetra eo an-tanany ;
Mitozoa mizotra amin’ny fo falifaly !
Nahoana no mitanondrika,
Mangovitra manoloana ny olona,
Matahotra mafy hataony tsinontsinona ?
Jereo Jesosy any an-danitra,
Mpandresy sy feno voninahitra ;
Mihazakazaha hahazoanao ny loka !
Nahoana no mitanondrika,
Mitady ireo fifalian’izao tontolo izao,
Mivelona ho an’ny etỳ an-tany ?
Jereo Jesosy any an-danitra,
Ny hatsarany sy ny famirapirany ;
Miveloma araka ny maha zanak’Andriamanitra anao !
Eny, ry Tompo, Ianao no loharanon-keriko,
Fifaliako, heriko ary fahendreko,
Bahana sy tanjon’ny fihazakazahako,
Fahafenoako sy harenako !
(Antsa sy Hira fiderana faha-293, edisiona 2022)