Alakamisy 5 Febroary 2026

Ny Tompo… mahari-po aminareo… ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Nenina sa fibebahana ?

Ohatra ny mitovy hevitra ireo teny ireo. Nefa tsy izany velively. Mety hahatsapa nenina ny olona rehetra. Samy miaiky isika tsirairay fa tsy nanao ny tsara mandrakariva. Nanantena ho afaka manao tsara kokoa…

Matetika ireny nenina ireny no akaiky dia akaikin’ny avonavona, iray amin’ireo kilema mihanaka indrindra. Diso fanantenana amin’ny tenantsika isika : nihevitra hoe „sitrana” tamina fihetsika izatsy, afaka mitantana tsara kokoa toejavatra iray, hay tsy nanao tsara kokoa noho ny mahazatra, na ratsy fihetsika.

Nefa rahoviana isika vao ho tonga saina fa efa hatrany am-bohoka no tsy afaka manova ny tenantsika ? Tsy nisy nahomby na ireo fananaran’ny manodidina, na ireo fanapahan-kevitra tsara : raiki-tampisaka ato anatiko ny fihetsika ratsy. Miverimberina tsy tapaka eo amin’ny fiainako ny fitiavantena, avonavona, tsy firaharahana ny hafa, tsy fahafehezana tena, ary herisetra mihitsy aza.

Andriamanitra irery no afaka miasa ato anatiko mba hampiharihary, amin’ny famakiana ny Teniny, izay tokony hotsaraiko, sy mba hanampy ahy hiova. Ho amin’izany dia tokony hiaiky ny toetra maha mpanota ahy aho, ary handray ny vahaolana atolony : ny ota dia mendrika ny fahafatesana, nefa maty Jesosy nisolo toerana ahy. Tsy antsoin’ny Baiboly hoe „nenina” io fihetsika io, fa omeny ny anarana hoe „fibebahana”. Io fiantorahana amin’Andriamanitra io dia antsoin’ny Baiboly hoe „fiovam-po”. Ary rehefa manankina ny fiainako aminy aho, dia manjary zanak’Andriamanitra. Dia hiasa ato anatiko ny Fanahy Masina, mba hampitombo toetra tsara vaovao : „fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:22-23).