Alarobia 4 Febroary 2026
Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo. Ohabolana 28:13
(Hoy Jesosy :) Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota. Marka 2:17
Tamin’ny andron’ireo mpanjaka faramparany tany Frantsa dia nalefa hanao asa an-terivozona hivoy sambo nandritra ny taona maro ny olo-meloka. Nofatorana rojo eo amin’ny dabiliony ireo voaheloka, ary zara raha misy toerana hanetsehany ny fivoiny. Nampalahelo ny toe-piainany, ary tsy nisy fitandroana fahasalamana.
Indray andro dia nisy diplômaty vahiny iray nahazo lalana hitsidika ireo sambo niantsona tao Toulon (Frantsa), ary araka ny fanao tamin’izany vaninandro izany, dia nanana zo izy hanafaka olona voaheloka iray safidiny. Nanontany gadralava maromaro ilay mpitsidika, mba hahafantarany ny antony nahatonga azy ireo tamin’io toerana maha fadiranovana io. Nitovitovy avokoa ny fanazavan’izy ireo : tsy rariny ny fanamelohana azy, tsy marina ny fiampangana azy, sns.
Teo amina voaheloka iray anefa dia izao no valinteny azony : „Tompoko, olon-dratsy aho taloha. Mendrika ny fahafatesana aho, ary ny fahasoavan’Andriamanitra no mbola maha velona aina ahy”. Nijery azy teo amin’ny masony ilay diplômaty ary niteny taminy hoe : „Ianao izany olona tsy vanona eto anivon’olona tso-po ! Tsy tsara ho azy ireo ny hamelana anao miaraka aminy”. Avy eo dia nitsiky izy nitodika tamin’ny mpanara-dia azy, niteny hoe : „Tompokolahy isany, ity no lehilahy tiako hafahana”.
Olona maro no mihevitra fa tena mendri-kaja, ary mieritreritra hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra satria tsara fitondrantena. Hoy anefa ny Baiboly : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Ny miaiky fa mpanota very no hany fomba hahafahana misitraka ny fahasoavan’Andriamanitra, dia ilay fahasoavana mamela heloka, manafaka, ary manolotra fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.