Talata 3 Febroary 2026

Izao no lazain’i Jehovah… Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny ; ny tànako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. Isaia 45:11-12

Tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana… Hebreo 9:27

 

Fanontaniana roa

„Farafahakeliny, indray mandeha eo amin’ny fiainantsika tsirairay dia misy fanontaniana roa mipetraka, roa dia roa, tena tsotra ary angamba tsy misy valiny ; nefa sarotra ialana. Ny voalohany : Misy ve Andriamanitra ? Ny faharoa : Inona ny aorianan’ny fahafatesana ?” Tahaka an’i Jean Ormesson, izay nanoratra ireo teny ireo, dia tsy misy filôzôfa na mpahay siansa manana ny valiny. Aiza no hahitana izany, raha tsy ao amin’ny Baiboly ? izay Tenin’Ilay Andriamanitra nahary antsika, antsika sy ny tontolo manodidina antsika. Ny mpino miorina amin’izay ambaran’Andriamanitra dia afaka mamaly tsy mihambahamba.

— Eny, misy Andriamanitra. Mitoetra eo amin’ny mazava tsy hay hatonina Izy, nefa mampahafantatra ihany koa ny tenany amin’ny zavatra nataony, ka tsy manan-kalahatra ny olona (Romana 1:20). Ary ambonin’ny zavatra rehetra, tonga tetỳ an-tany Izy, tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Zanany. Izy no fanehoana feno an’Andriamanitra. Nohelohin’ny olona anefa Izy, ary maty teo amina hazofijaliana. Nefa nandresy ny fahafatesana Izy, ka nitsangana velona indray, nanaporofo ny maha Andriamanitra Azy.

— Inona ny aorianan’ny fahafatesana ? Ny fahafatesana dia vokatry ny fahotana ataon’ny olona rehetra (Romana 6:23). Ary aorianan’ny fahafatesana dia hisy fitsarana (andinin-tSoratra Masina androany). Fiadanana toa inona moa ny mahafantatra fa Jesosy dia niditra an-tsitrapo tao amin’ny fahafatesana, mba hanafaka antsika amin’izany ! Mampita ny ainy amin’izay mino Azy Izy. Ndao hino izay ambaran’Andriamanitra antsika : manolotra famelana ny fahotana sy fiainana mandrakizay Izy, fiainana mifandray aminy, Izy Ilay Andriamanitra tia antsika.

Ndao hamaky ny Baiboly ; ao dia mihoatra lavitra noho ny valin’ireo fanontaniana roa ireo no ho hitantsika : ny fanambarana ireo fihevitr’Ilay Andriamanitra fitiavana.