Alatsinainy 2 Febroary 2026

Tamin’izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe : Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. Eny, Raiko ; fa izany no sitraponao. Matio 11:25-26

 

Ny fiadanako no omeko anareo (5)

Tsara vakina : Matio toko faha-11

Nampiseho hatsaram-po betsaka tamin’ireo mpiara-belona taminy Jesosy. Izy dia „nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly” (Asan’ny Apostoly 10:38). Saingy niha niharihary hatrany fa nankahala Azy ireo mpitari-pivavahana ary nitaona ny olona handà Azy. Jaona Mpanao batisa, izay nijoro ho vavolombelona namirapiratra ho an’i Jesosy, dia naiditr’i Heroda an-tranomaizina. Ary ankehitriny, very hevitra i Jaona, ary nisalasala. Tany an-tranomaizina izy dia nampanontany an’i Jesosy, raha Izy tokoa no Ilay Mesia nandrasana.

„Tamin’izany andro izany”, tao anatin’ny vanimpotoana manjombona nihodinan’ny maro tamin’i Jesosy, dia ohatra ny hahatsapa isika fa niasa maina Jesosy (jereo Isaia 49:4). Nefa nankasitraka Izy, nitodika tamin’ny Rainy. Na teo aza, andaniny, ny vokatra ohatra ny tsy dia namparisika teo amin’ny asa fanompoany, ankilany, ny fanoheran’ireo tompon’andraikitra, dia nanana antony niderana ny Rainy Izy, satria nisy akony tao amin’ireo nandray ny toerana „zaza madinika” ny teniny. Nitoky tamin’Andriamanitra Izy, manoloana ny sitrapony lavorary, nanaiky am-piadanana hoe : „Eny, Raiko ; fa izany no sitraponao” (Soratra Masina androany).

Ry kristiana, tojo fandavana na tsy fahombiazana isika indraindray. Angamba nanolo-tena fatratra hanampy olona iray, nefa toa tsy nisy vokany. Ary indraindray isika tsy azon’ireo olona akaiky antsika. Toa an’i Jesosy, dia ndao hitoky tsotra fotsiny amin’ny fahendrena sy amin’ny sitrapo lavorarin’ny Ray. Ao amin’ireny fotoana tandrify ireny no ahafahantsika maneho ny fiadanan’i Kristy, ilay fanomezana sarobidy aoka izany !