Alahady 1 Febroary 2026
Izay nandalo dia niteny ratsy Azy (Jesosy), sady nihifikifi-doha ka nanao hoe : Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, midìna hiala amin’ny hazofijaliana. Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona, ka nanao hoe : Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Matio 27:39-42
Voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Vahoaka voasarik’io „zava-miseho” io no nanompa Azy, ny mpandalo naneso. Ireo lohandohany ara-pivavahana dia nihaika Azy mba hidina avy eo amin’ny hazofijaliana. „Ny sasany novonjeny” : ny lazain’izy ireo amin’izany dia ny fahagagana maro nataon’i Jesosy ho an’ny mahantra sy ny marary. Tsy afaka mamonjy ny tenany ve izany Izy ? Ireo mpivavaka ireo dia nihambo mihitsy hoe hino an’i Jesosy, raha toa Izy midina avy eo amin’ny hazofijaliana. Ny marina anefa dia efa tapa-kevitra handà Azy tanteraka izy ireo, ary tsy vonona velively ny hino, na dia nidina aza Jesosy.
Afaka midina avy eo amin’ny hazofijaliana ve Jesosy, manoloana izany fihaikana izany ? Rehefa nanatona hisambotra Azy ireo miaramila ka nitady hiaro Azy i Petera, dia hoy Jesosy taminy : „Ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny ?” (Matio 26:53). Teo amin’ny hazofijaliana dia afaka nivavaka tamin’ny Rainy koa Jesosy, ka ho afaka !
Tsia, tsy izay fantsika tsy akory no nihazona Azy ! Nijanona teo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. Ary tsy nandefa anjely Andriamanitra, satria tsy maintsy novahana ny olana momba ny ota. Nanaiky Jesosy handray teo amin’ny tenany ny famaizana noho ny ota.
Io sorona io dia mampiseho ny fitiavana tsy misy fetran’Andriamanitra, fitiavany ny mpanota. Raha nidina avy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, dia tsy ho nisy voavonjy isika, na iray aza. Nefa nijanona teo Jesosy, ary navelan’Andriamanitra teo, mba hahazo famelan-keloka ireo izay mino Azy, ary mba ho famonjena mahatalanjona no omena azy ireo.