Asabotsy 31 Janoary 2026
Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32
(Hoy Jesosy :) Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44
Taona vitsivitsy lasa izay dia nisy nanafika sy nandoro ny fiangonana Saint-Georges d’Assiout, any Egypta. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia nisy saina egyptiana nasiana soratra hoe „Mamela heloka izahay”, natsangana teo anoloanan’ilay fiangonana. Hafatra tena tsara izany, hafatry ny kristiana egyptiana ho an’ireo izay namely mafy azy anefa. Hafatra manambara famelan-keloka sy fihavanana, fa tsy valifaty, ary miteny amintsika.
Angamba isika migaga ireo kristiana egyptiana ireo. Angamba aza nanonona mihitsy azy ireo ho ohatra tao amina fivoriana kristiana, mba hanindriana ny maha zava-dehibe sy ny lanjan’ny famelana ny helok’ireo izay nanisy ratsy antsika. Inona anefa no tena zavamisy ? Mahay mamela heloka ve isika ? Izany hoe manadino ny fanafintohinana, toy ny tsy nisy ? Angamba hisy mpamaky hiteny hoe : „Eny, teny tsara izany, nefa raha mba fantatrao ny zavatra niaretako ! Tsy vitako ny mamela heloka !” Marina fa mety hamela ratra lalina ny teny mitory fikasan-dratsy, ny fihetsika mahery setra, ny fivadihana. Mety ho lava sy mampangirifiry ny lalana mankamin’ny famelan-keloka, ary mihoatra noho izany, mankamin’ny famitranana fihavanana. Aoka isika hahazo antoka fa ny hery hamelana heloka dia tsy ho hitantsika ao anatintsika, fa ao amin’Andriamanitra, Izay namela trosa goavana, dia ny trosan’ny fahotantsika. Ndao hibanjina an’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazofijaliana, Izay voaheloka tsy ara-drariny, nefa niteny hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony” (Lioka 23:34).