Zoma 30 Janoary 2026

(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24

 

Dingana iray fotsiny ihany

Nisy andiana tanora tao amina fiarabe fitaterana, nanafana tany aoriana. Indro mpandeha iray tonga nipetraka teo akaikin-dry zareo… angamba ninia nankeo. Nanomboka namaky ny Baiboliny izy. Tsy nisy tsy nahita azy, ary mba hampihomehy ny hafa, dia nanontany azy tamina endrika matotra ny iray tamin’ireo tanora ireo hoe :

— Arahaba ianao. Mba afaka mampahafantatra ahy ve ianao ? Lavitra eto ve ny paradisa ?

Nibanjina io tanora io teo amin’ny masony ilay mpandeha, ary namaly azy tan-kamorampo sy tam-pahamatorana hoe :

— Ny paradisa, ry sakaiza, dia dingana iray fotsiny avy eo aminao, nefa ve ianao te hanao io dingana io izao ankehitriny izao ?

Izany teny tsotra izany, sy ny fomba nanononana azy, dia niasa tao amin’ny fo sy fieritreretan’ilay tovolahy. Tsy nahita fitsaharana tao amin’ny fanahiny izy, raha tsy efa nahavita „io dingana io” ho eo amin’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy.

Efa nanao io dingan’ny finoana io ve ny tsirairay mpamaky izao alimanaka izao ? Ilaina izany, mba ho „tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”. Ny fahafatesana, dia ny mijanona ao amin’ny tsy fahalalana ny fitiavan’Andriamanitra ; ny fiainana, dia ny mahafantatra Ilay tonga mba hanambara io fitiavana io amintsika, dia Jesosy Zanany. Tsy misy afaka misolo toerana anao, hanao izany. Mety manana havana na namana mpino angamba ianao ? Tsy afaka manao na inona na inona ho anao ny finoan’izy ireo, fa ny finoanao ihany no afaka mitaona anao hibebaka. Angamba ianao matoky mpanelanelana aminao sy Andriamanitra, amin’izay rehetra momba „ny fivavahana” ? Izy ireo koa dia tsy afaka manampy anao, afa-tsy amin’ny fitaomana anao hitady amin’ny alalan’ny tenanao manokana ny fanatrehan’Andriamanitra ; ary izany no atao hoe paradisa. Tsy manana na inona na inona atolotra an’Andriamanitra ianao. Zavatra tokana ihany no andrasany aminao : ny fibebahana ateraky ny finoana. Aza misalasala ela loatra : ataovy ilay dingana, manatòna Azy amin’izao maha ianao anao izao !