Alakamisy 29 Janoary 2026
(Hoy Jesosy :) Mbola kely ihany no hitoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina ; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. Jaona 12:35
Tamin’ny febroary 2021 dia niharana tafiotran-dranomandry maromaro faran’izay mahery vaika i Texas (Etazonia). Niteraka fahafatesan’olona mihoatra ny 200 sy fahavoazana an’arivo tapitrisa dolara izany, ary nahatonga fahatapahan-jiro tao amina tokantrano 4, 5 tapitrisa. Olona an-tapitrisany no voakasika zava-manahirana isan-karazany : fitaterana, famatsiana… ary olona an’arivony no voatery nandao ny trano fonenany. Rehefa tsy misy herinaratra moa dia tsy misy jiro, ka tsy misy hazavana sy fanafanana trano intsony. Nandritra io vanimpotoana lava nahatapahan’ny jiro io dia tsapan’ny mponina fa tsy maintsy ilaina ny herinaratra.
Indraindray isika dia mandalo andro manjombona : mahatsapa tena ho toy ny rakotra haizina sy very soridalana. Hoy Jesosy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy, tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12). Tsy misy loharanom-pahazavana tena izy sy maharitra eto amin’ity tontolo iainantsika ity. Mety hanaitaitra vetivety ny saina ireo filôzôfia, nefa rehefa ela ny ela dia mamela habangana anaty, tsy misy hazavana kely akory ho an’ny hoavy.
Fotoana izao hanontaniako tena hoe „tapaka jiro” ara-panahy ve aho, tena maniry marina ve hahita ilay tena fahazavana, sa tia kokoa hitoetra „ao anaty haizina” ho mandrakizay.
Hoy Jesosy : „Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy” (Jaona 12:46).