Alarobia 28 Janoary 2026

Ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:17-18

(Hoy Jesosy :) Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray. Jaona 14:9

 

Tompo ô, mahalala Anao aho, ka misaotra Anao noho izany (2)

Eritreritra mpamaky iray

Ny lanitry ny lanitra dia tsy omby an’Andriamanitra, nefa Izy nifono tao anatin’ity Zaza vao teraka antsoina hoe Jesosy ity. Nanasitrana ny malemy Izy, nanampina ireo rimbana tao am-po, namela heloka, nampionona, nalemy fanahy, tso-po… Ny endriny dia nampahafantatra ny endritsika, ny fahamarinany nampiharihary ireo marimaritra iraisana fanaontsika, ny teniny ireo laingantsika, ny hamoram-panahiny tsy hita lany ny hateren’ny fanahintsika.

Ny haranitan-tsaina nomena ny olona hatry ny fahagola dia nampiasainy hamboarana karavasy, lefona, fantsika… Novonoin’izy ireo Jesosy mba tsy hiteny intsony, mba tsy hiseho eo afovoan’izy ireo intsony… Nefa telo andro taorianan’izany dia nivoaka avy tao am-pasana Izy, nitsangana velona indray… Tompo ô, velona mandrakizay Ianao. Mahatalanjona ny anaranao… Tiako ny anaranao, ry Tompo Mpanjaka.

Ry Tompo Andriamanitra ô, be aoka izany ny nataonao ho ahy, hatry ny elabe, na dia mbola tsy nahalala Anao aza aho. Omeo ahy ny maso mahay mahita Anao, ilay fo mifidy anao mandrakariva. Tsy manana fahafahana izahay, raha tsy mifatotra aminao… Midadasika ny halehibenao…

Inona ireo mba harena eto ? Na angonina avokoa aza izy rehetra ireo, dia tsy mahatratra akory ny habetsaka fasika eran’ny tanana efa miparitaka. Inona no afaka ampitahainay aminao ? Fantatray fa ny feonao dia manakoako eran’ireo tontolobe rehetra, ny fahamasinanao tsy manana fetra noho ny fahaiza-mamoronao manerana ny toerana rehetra, fahaiza-mamorona ny bitika indrindra sy ny makadiry indrindra. Mihoatra noho ny fahatakaran-javatra ny hamoram-panahinao, ary ny fitiavanao tsy voasakana tsy hidina hatratỳ aminay… Tiako ny anaranao, ry Tompo Mpanjaka.

(tapitra)