Talata 27 Janoary 2026
(Hoy Andriamanitra :) Hitan’izay tsy nitady [Aho]. Isaia 65:1
Tompo ô, tsy mba nitady Anao na oviana na oviana aho, na nanontany tena momba Anao. Tsy nieritreritra akory izay dikan’ny fiainana aza aho. Tsy nanahy mihitsy ny amin’ny fiainana, ny fahafatesana, na ny nahoana, na ny manao ahoana…
Fony mbola tanora aho, nahoana no nahatsikaritra ny fihatsarambelatsihin’izao tontolo izao ? Ahoana no nahafahako nanamarika fa nitsimbadika ny soatoaviny ?… Tsy nihoatra haavon’olona ny eritreritro. Tsy nisy na inona na inona fantatro tany ambadik’io haavo io. Tsy nisy fisandratana tato anatiko. Tsy nanontany tena aho momba izao habangana maharitra izao, izao habangana anaty tsy hay fenoina izao. Na momba izay mety hitranga eo anelanelan’ny andro voalohany sy ny andro faran’ny fiainanay, mainka moa fa ny aorianan’io andro farany io.
Tamin’izany fotoana izany dia nisy namako iray tena akaiky, nahafantatra Anao. Nankany aminy aho, tany amin’ny faritany. Mandray olona maro tsy fantatro izy. Mifampizara trano izy ireo, vavaka, ny finoan’izy ireo. Tsy te hivazivazy toy ny fanaoko momba ireo toejavatra ireo aho. Mafana fo izy ireo, ary ny finoany dia tsy miziriziry na mangatsiaka. Izao fotsiny no nolazain’ny iray tamin’izy ireo ahy : „Nitsangana velona indray Jesosy, ary tia anao.” Nafeniko tao anatiko, tao amin’ny mangingina, hoe ny anaranao anie ka nisambotra ahy mafy aoka izany. Ilay anaranao velona, zava-miafina mahatalanjona.
Tao anaty fiarandalamby niverenako aho dia nisy zavona niala avy tao amin’ny fihevitro marin-drano. Hitako fa vantambantana ny fiteniko, feno herisetra ny fihevitro sasantsasany, ambany dia ambany ny fijeriko sasany. Nisy ny tsara sy ny ratsy, nefa tsy fantatro izany.
20 taona indrindra aho tamin’izay andro izay, nihiaka hoe : „Nefa raha velona Izy, dia manova ny zavatra rehetra izany… NY ZAVATRA REHETRA !”
(tohiny rahampitso)