Alatsinainy 26 Janoary 2026
Nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely, ka nila ho feno rano. Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely, tambonin’ny ondana. Marka 4:37-38
Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa izy. Asan’ny Apostoly 12:6
Indray hariva Jesosy dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’ny mpianany, mba hiampita farihy. Nisy tafiotra mahery niakatra, ka efa ho feno rano ny sambokely. Nikoropaka ny mpianany, na dia mpanarato za-draharaha aza. Jesosy kosa tsy voakasik’izany hotakotaka izany, natory tam-pilaminana tao amin’ny fanambanin’ilay sambokely. Matoky tanteraka ny Rainy Izy, tsy misy na inona na inona afaka manohintohina Azy. Talanjona ny mpianatra mahita hoe afaka matory ao anaty toejavatra toy izany Jesosy, ka namoha Azy ary nanome tsiny Azy noho ny toa tsy firaharahany. Dia nitsangana Izy, nampangina tamim-pahefana ny rivotra, ka nitony ny onja. Endre ny fifanoheran’ny filaminan’i Jesosy teo anivon’ny tafiotra, sy ny horohoron’ireto mpianany !
Ry kristiana, miatrika tafiotra isan-karazany koa isika, mandritra ny fiainantsika. Koa rehefa „ianjerazeran’ny alondrano ny sambokely”, dia mety ho tratran’ny tebiteby isika. Na izany aza, mba hihazonan’i Jesosy antsika ho tony ao anaty fikorontanana, dia Izy mihitsy no te hanome antsika ny fiadanany, ilay fiadanana nasehony fahiny teo amin’ny Farihin’i Tiberiasy.
Ohatra tsara amin’izany ny apostoly Petera, tatỳ aoriana kely (Asan’ny Apostoly 12). Vao avy nampamono an’i Jakoba rahalahin’i Jaona i Heroda mpanjaka. Koa satria nahafaly ny olona izany, dia nasainy nosamborina ihany koa i Petera, nafatotra tamina rojo vy tamina miaramila roa, miandry ny hisehoany eo anatrehan’ny vahoaka. Tsy misy fanantenana mihitsy hahafahany mandositra, hoavy manjombona no anjarany. Nefa natory tam-pilaminana i Petera, ary nisy anjely tsy maintsy nanohina ny tehezany, mba hamoha azy sy hanafaka azy. Ako tena mahafinaritra tao am-pony ny tenin’ny Tompo hoe : „Ny fiadanako no omeko anareo !”