Alahady 25 Janoary 2026

Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana ; fa ny Zanak’olona (Jesosy) tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany. Lioka 9:58

Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. Jaona 1:11

 

Tsy noraisina tsara teto amintsika Izy, isika kosa noraisina tsara tany aminy

Tsy mazoto isika hanasa olona iray sy handray azy toy ny fandraisana mpanjaka, raha tsy noraisina tsara tany an-tranony. Izany anefa no nataon’Ilay Zanak’Andriamanitra, tamin’ny olombelona. Ahoana no nandraisana Azy ? „Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy” (andinin-tSoratra masina androany). „Tsy nisy nitoerany (Maria sy Josefa ary Jesosy Zaza) tao an-tranom-bahiny” (Lioka 2:7). Tsy nila an’i Jesosy ny vahoaka, ka niantso tamin’ny feo mafy ny hahafatesany (Lioka 23:23). Naleon’izy ireo nitsimbina jiolahy ary nanolotra an’i Jesosy ho faty. Tsy nanana toerana ho Azy izao tontolo izao. Azontsika antoka ve fa hanana izany Izy ankehitriny ?

Ndao hihaino ny fomba namalian’i Jesosy io fandavana io : „Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro… Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho… dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:2-3). Ny saran’io toerana io dia naloany teo amin’ny hazofijaliana, tamin’ny nitondrany tamin’ny tenany ny famaizana ny fahadisoantsika. Atolony maimaimpoana io toerana io, ao an-tranon’ny Rainy, ho an’ireo rehetra mino Azy.

Hitsidika ny tontolontsika no nahatongavany, nefa dia hazofijaliana no nomentsika Azy. Amin’izao fotoana izao Izy natsangana velona indray, ary any an-danitra ; manasa antsika ho ao an-tranony Izy, ka fandraisana toa inona moa no omaniny ho antsika ? Fahasambarana mandrakizay miaraka aminy. Toy izany no amalian’i Jesosy ny haratsin’ny olona. Mendrika Izy homen’ny fontsika valiny miharihary, sahaza ny fitiavany tsy misy fetra.

„Ho an’Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany, sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy —ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena” (Apokalypsy 1:5-6).