Asabotsy 24 Janoary 2026

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra ; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Jaona 1:1-4

 

Ny Teny

Ny apostoly Jaona dia manomboka ny filazantsarany amin’ny fampahafantarana antsika Olona iray antsoina hoe „ny Teny” (na : „le Verbe”). Zavatra fito no mampiavaka Azy :

— „Tamin’ny voalohany ny Teny”. Talohan’ny nisian’ny zavatra rehetra dia efa teo ny Teny. Teo hatrizay hatrizay Izy.

— „Ny Teny tao amin’Andriamanitra” : niavaka tamin’Andriamanitra Izy.

— „Ny Teny dia Andriamanitra” : nanana ny toetra rehetra maha Andriamanitra Izy.

— „Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany” : nisy hatrizay hatrizay Izy, Olona iray miavaka, miaina akaiky dia akaiky an’Andriamanitra.

— „Izy no nahariana ny zavatra rehetra” : ny Teny dia Ilay Mpahary.

— „Izy no nisiam-piainana” : Izy no Ilay loharano tokana niavian’ny aina.

— „Ary ny fiainana no fanazavana ny olona” : Izy no Ilay loharano tokana manazava ny olona.

Manohy i Jaona hoe : „Ary ny Teny dia tonga nofo” (and 14). Io Olona io izany, „ny Teny”, dia Jesosy Kristy, Andriamanitra Izy tenany mihitsy, tonga teto an-tany tahaka olombelona. Ny teny dia milaza ny fihevitsika. Ilay antsoina hoe „ny Teny” no manambara izay heverin’Andriamanitra. Ary taomin’Andriamanitra Ray isika hihaino Azy : „Ity no Zanako malalako, Izy no henoy” (Marka 9:7). Koa tokony hihaino tsotra fotsiny an’i Jesosy isika, mba hahalala an’Andriamanitra sy ny fiheviny.

Vakio ireo filazantsara, dia handre teny fahasoavana sy fahamarinana ianao (Jaona 1:17 ; Lioka 4:22). Ho fantatrao izay heverin’Andriamanitra momba anao, ho fantatrao fa tiany ianao, amin’izao maha ianao anao izao, ary tsy mandà an’iza na iza Izy.