Zoma 23 Janoary 2026
Ny tenin’ny Tompo, maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:25
Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:9
Ny Baiboly indraindray dia heverina ho boky mirakitra tantara noforomporonina, misy hadisoana ara-tantara, fitambarana anganongano mampiahiahy ny fiaviany, na raha tsara indrindra, boky milaza zava-mahaliana ara-pitondrantena sy ara-kolontsaina.
Nefa ireo izay maka fotoana hamakiana am-pahamatorana ny Baiboly dia mahita zavatra hafa tanteraka, ary indrindra faminaniana an-jatony efa tanteraka, tamina fomba mazava sy feno fahamalinana, matetika ela be taorianan’ny nahafatesan’ny mpanoratra azy. Ireo faminaniana mahakasika manokana ny fiavian’i Jesosy Kristy ho Mesia, ny fiainany, ny fahafatesany ary ny fitsanganany velona indray dia mahatalanjona ny tsy fivaonany, hatramin’ny antsipiriany (vakio, ohatra, ny Isaia toko faha-53). Toy izany koa ireo manambara zavanisy ara-tantara tsy azo lavina : ohatra, ny nandravan’ny tafika romana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70. Na ny faminanian’ireo milaza ny tenany ho mpamaky ny hoavy na mpanontany ny maty, na ny an’ireo boky, eny fa na boky ara-pivavahana nosoratan’olona aza, dia tsy manana io fahazoana antoka na fahamarinana io. Ny Baiboly irery ihany no manome porofo tsy azo lavina ny amin’ireo faminaniana ambarany. Nahoana moa ? Satria Andriamanitra no Mpanoratra azy. „Andriamanitra tsy mba olona ka handainga… Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy ? Na efa hiteny va Izy, ka tsy hotovony ?” (Nomery 23:19).
Ambonin’ny zava-drehetra, ny Baiboly dia fanambarana an’Andriamanitra, ary harena ho antsika. Izy io dia milaza amintsika ny fitiavana lehibe ananan’Ilay Andriamanitra Mpahary, Izay naneho ny tenany tamintsika tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany. Jesosy mihitsy no Ilay Teny, Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo.