Alakamisy 22 Janoary 2026

Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka. Lioka 18:1

Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho. Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Ianao : Aza matahotra. Fitomaniana 3:56-57

 

Ny tsiambaratelo-na andro tsara iray

Ny atao hoe kristiana dia olona mivavaka isanandro tsy tapaka amin’Andriamaniny. Ny vavaka dia sady fahazarana no zavatra atao tsy miandry baiko, manoloana ireo toejavatra ahatsapana fa mila miresaka amin’Andriamanitra. Ny manao tsirambina ny vavaky ny tena manokana dia mitarika ho amin’ny fahantrana ara-panahy, manokatra varavarana amina hadisoana isan-karazany, ary manakana ireo ezaka ataon’ny kristiana mba hanompoany an’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, izay mivavaka amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha dia miomana hahazo fandresena. Inona no mety hatahorany avy amin’ny olona na ny zava-mitranga ? Fantany fa malemy sy voafetra izy, nefa Andriamanitra no heriny sy ampingany (Salamo 28:7).

Ndao hanomboka sy hamarana amin’ny vavaka ny andro tsirairay miaraka amin’ny Tompo ; ary amin’ny zavatra rehetra dia ndao hiresaka Aminy. Mety ho vavaka manara-pomba izany, misy fiandohany sy fiafarany, atao amin’ny Raintsika any an-danitra na amin’i Jesosy Tompontsika, nefa mety ho resaka mangina ao anaty koa. Mety ho fohy dia fohy ny vavaka ataontsika, tahaka kiaka ao anaty hamehana (hamaikana) toejavatra sarotra. Ndao hitandrina mba tsy hisy elanelana mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra. Ho amin’izany, na misy asa hafa heverintsika ho manan-danja aza, tsy maintsy ajanona, dia aza ataontsika tsirambina ny vavaky ny tena samirery, vavaka maharitra sy feno fatokiana.

Tsy ho very maina na oviana na oviana ny fotoana ivavahana ! Mifanohitra amin’izany aza, satria ho an’ny mpino te hankasitrahin’Ilay Andriamaniny, dia ireny fotoana ireny no fepetra mialoha hahavitana izay rehetra mety ho asa mamokatra. „Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra” (1 Tesaloniana 5:16-18).