Alarobia 21 Janoary 2026

Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko. Salamo 63:1

Namaly Tomasy ka nanao taminy (tamin’i Jesosy) hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Jaona 20:28

 

Jesosy, inona moa Izy aminao ?

Niady hevitra tamina mpiara-miasa vitsivitsy izahay, momba ny boky vakinay.

— Ary ianao, inona ny boky tianao indrindra ?

— Ny Baiboly. Mamaky azy isanandro aho. Mahasoa ahy izy.

— Ny Baiboly, isanandro ! Inona anefa no hitanao ao ?

— Ny Baiboly dia miresaka Olona iray amiko, miresaka an’i Jesosy. Tia ny olona rehetra Izy, ary fantatro fa tia ahy koa. Noforoniny ny olombelona mba hanana fifandraisana velona sy feno vokatsoa aminy. Noporofoiny teo amin’ny hazofijaliana ny fitiavany. Teo Izy no nanao sorona ny tenany, ka nahazoako famelana ireo fahotako. Izy Izay Andriamanitra, masina sy madio, dia maty hamonjy ahy. Koa tiako ny mamaky ireo filazantsara, izay mitantara ny fiainany teto an-tany, fony Izy nanasitrana ny marary sy nanao soa tamin’ny olona rehetra. Nanokana fotoana Izy, niaraka tamin’ireo nila izany, nihaino sy nampahery azy ireo.

— Tamin’Izy teto an-tany izany : tantara fotsiny !

— Ankehitriny aho, amin’ny finoana, dia mankafy ny fanatrehany eto amiko. Miresaka aminy aho, amin’ny alalan’ny vavaka, ary fantatro fa mihaino ahy Izy. Io Jesosy io dia Andriamanitra fiadanana, maniry ny hahasambatra ny olona rehetra, ka matoky Azy tanteraka aho.

Vao haingana izahay, tato amin’ny fianakaviana, dia azom-pahasahiranam-be ara-pahasalamana. Tsapako tamina fomba manokana fa teto akaikiko Andriamanitra. Rehefa niharatsy indrindra ny zava-drehetra, dia nahatsapa ny fiadanany aho. Toy ny hoe nandray ny tanako Izy ary niteny tamiko hoe : „Mahereza, eto Aho ! Miaraka aminao Aho, na inona na inona mitranga.” Ary izany dia nanome hery ahy indray, mba hiroso.

Ny Andriamanitro dia tsy mba Andriamanitra lavitra ahy, fa Olona tia sy miahy ahy.