Talata 20 Janoary 2026
Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Romana 10:17
Olona maro no milaza fa tsy misy Andriamanitra, ary ny sasany aza dia maneso ny finoan’ny kristiana mihitsy. Mamaly azy ireo ilay mpanoratra kristiana Ralph Shallis, hoe : „Tsy maintsy manana finoana tena lehibe, mba handà ny fisian’Andriamanitra !” Tsy afaka vidina ny finoana, tsy afaka amboarina, tsy afaka foronina. Ahoana àry no hananana finoana, sy hinoana Ilay Andriamanitra Mpahary ? Ilay Andriamanitra tia ny olona ary te hamela heloka azy ireo sy hanome azy fiainana mandrakizay.
Ny finoana dia tonga avy amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra, izay hany afaka mampisy finoana ao anatintsika (andininy androany). Vakio ny Baiboly, fa izy no Tenin’Andriamanitra feno aina sy hery hiteraka finoana ao anatinao, hiteraka fatokiana tanteraka an’Andriamanitra sy izay lazainy. Ary io finoana io dia mamonjy, araka ny voalazana soratra maro ao amin’ny Baiboly :
„Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).
„Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1).
„Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna” (Romana 3:28), tsy asa miankina amin’ny fampiharana ny lalànan’i Mosesy.
Ny olona milaza ny tenany ho tsy mino ny fisian’Andriamanitra dia matetika manome ny heviny momba ny Baiboly, araka izay henony momba azy io, nefa tsy namaky azy akory. Koa mba tianay ny mampirisika anao hanana ny hevitrao manokana, amin’ny famakiana ny Baiboly, izay tsikerain’ny sasany, nefa maro mpitia.