Alatsinainy 19 Janoary 2026
Ny devoly nitondra Azy (Jesosy) nankany amin’ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly, dia nanao taminy hoe : Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any ; fa voasoratra hoe : „Izy handidy ny anjeliny ny aminao…” Hoy Jesosy taminy : Voasoratra hoe koa : „Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao” Matio 4:5-7
Rehefa telopolo taona Jesosy dia nentin’ny Fanahy Masina tany an-taniefitra, mba halain’ny devoly fanahy. Hosedraina izy, alohan’ny hanombohany ny asa fanompoany ampahibemaso.
Ireo ray aman-drenintsika voalohany koa (Adama sy Eva) dia nalain’ny devoly fanahy. Nampisy fitsiriritana tao amin’izy ireo i Satana : hazo „tsara ho fihinana”, „mahafinaritra ny maso”, ary „mahatsiriritra hampahahendry”, nefa Andriamanitra efa nandrara azy ireo tsy hihinana ny voan’io hazo io. Lavon’ny fakam-panahy izy ireo (jereo Genesisy 3:1-7). Mba hanatratraran’i Satana ny tanjony, dia novainy ny Tenin’Andriamanitra, ary notoheriny mihitsy aza. Nandainga tamin’i Adama sy Eva izy, nampino azy mivady hoe Andriamanitra dia te hanafoana ny fahasambaran’izy ireo. Dia vitany ny nitarika azy ireo hisalasala ny amin’Andriamanitra sy tsy hankatò Azy.
Jesosy dia nifanandrina tamin’ilay mpaka fanahy. Aminy dia ny Tenin’Andriamanitra no fahefana fara tampony. Tsy niady hevitra tamin’i Satana Izy, fa mamaly hatrany hoe : „Voasoratra hoe”. I Satana aza dia tonga hatramin’ny fitanisana ny Teny, tamin’ny fomba tsy feno sy nifangaro fampisalasalana, nefa Jesosy namaly hoe : „Voasoratra hoe koa” (Matio 4:7). Ao amin’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra manontolo, ary manome Azy fiadanana sy fandresena.
Ny kristiana ihany koa dia alain’i Satana fanahy, satria tiany hisalasala ny amin’Andriamanitra sy tsy haharitra fa ho resin’ny filan’izao tontolo izao (1 Jaona 2:16). Fetsy i Satana, afaka manonona ny tenin’ny Baiboly sy mamadika azy, na mitady hanozongozona antsika amina andininy sasantsasany. Toa an’i Jesosy, dia aoka isika ho tony mandrakariva, hiantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra (1 Petera 1:23), ka tsy maintsy hiaiky fa resy i Satana !