Alahady 18 Janoary 2026
(Jesosy) Izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Asan’ny Apostoly 10:38
Mahita an’i Jesosy
Tompo ô, hitanay Ianao etỳ an-tany,
Manoro ny fitiavan’ny Ray amin’ny tsirairay,
Mampianatra ireo vahoaka manodidina Anao,
Ary mitrotro ny ankizy.
Naman’ireo rehetra tsy ampy fitiavana Ianao,
Mampionona azy ireo, mamela ny fahotany.
Hitanay Ianao mikasika ny boka,
Manasitrana ny jamba sy ny mandringa,
Manao soa ny olona rehetra, ary manafaka
Ireo izay nafatotry ny Fahavalo.
Noho ny teninao dia mitony ny ranomasina sy ny rivotra,
Mitsangana ny maty, ary mangina ny demonia.
Hitanay Ianao mamaly ireo filan’
Ireo izay mifanena aminao eny an-dalana,
Feno fahasoavana sy fahamarinana Ianao
Amin’izay lazainao sy amin’izay ataonao.
Ny fiainanao, ry Tompo, dia mampiseho sy mampamirapiratra
Amin-kery sy an-kamoram-panahy ny fon’Andriamanitra.
(Antsa sy Hira fiderana faha-299, edisiona 2022)
„Tsara tarehy noho ny zanak’olombelona ianao ; fahasoavana no naidina tamin’ny molotrao ; izany no nitahian’Andriamanitra anao mandrakizay” (Salamo 45:2).