Asabotsy 17 Janoary 2026

(Hoy ny Tompo :) Izaho kosa tsy mba manadino anao. Isaia 49:15

Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8

 

Nanadino ahy Andriamanitra

Mankalaza ny faha-104 taonany androany ilay vehivavy zokiolona indrindra ao amin’ny trano fisotroan-dronono. Fotoana tandrify izany, hanaovana lanonana kely ; niarahaba ilay vaviantitra efa zato taona mahery ny lefitry ny ben’ny tanàna, ary nanontany ny tsiambaratelon’ny haelavelony. „Nanadino ahy teto an-tany Andriamanitra”, hoy ny navaliny.

Vazivazy ve izany valinteny izany, sa taratra fangidiana mifamatotra amin’ny vesatry ny fahanterana ? Ny azo antoka dia hoe mijery lalandava io vehivavy efa antitra be io, sy ny voariny rehetra ihany koa, Ilay Andriamanitra Tsitoha, Mpahary ny lanitra sy ny tany. Tsy araka izay eritreretin’ny olona, fa maneho ny tenany ho Ilay mahafantatra ny zavatra rehetra Izy, Ilay mahita ny zavatra rehetra, ary Ilay tsy maintsy hampamoaka ny tsirairay. „Eny an-danitra no itsinjovan’i Jehovah ; mijery ny zanak’olombelona rehetra Izy ; eo amin’ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin’ny tany —dia Izy Mpamorona ny fon’izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra” (Salamo 33:13-15). Izy ihany koa, amin’ny fotoana nofidiny, no mamarana ny fiainan’izy ireo eto an-tany.

Nefa amintsika tsirairay no mipetraka ny fanontaniana hoe : „Ary ianao, tsy manadino an’Andriamanitra ve ianao ?” Angatahiny isika, dieny mbola tanora, mba hahatsiaro Ilay Mpahary antsika (Mpitoriteny 12:1). Atolony antsika ny famelan-keloka maimaimpoana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mba hahafahantsika mahazo fiainana mandrakizay. Tsia, Andriamanitra tsy manadino an’iza na iza. Tena manam-paharetana fotsiny izy, indraindray mandritra androm-piainana lava be !