Zoma 16 Janoary 2026

Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho ; ho eo aminy Aho, raha ory izy. Salamo 91:15

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy), satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Hebreo 7:25

 

Famonoan-tena sa famonjena

Mpimamo lava i Mel Trotter. Na teo aza ny fampanantenana maro nataony tamin’ny vadiny, dia tsy nahavita nampitsahatra ny fisotroany toaka mihitsy izy. Tamin’ny andro nandevenana ny zanak’izy ireo vao roa taona, dia mamo faratampony izy nony nody. Tena namoy fo tanteraka izy, ka nanapa-kevitra hamono tena tao amin’ny farihin’i Michigan, akaikin’ny fonenany.

Nofidiny ny 19 janoary 1897 mba hamaranany ny androm-piainany. Tamin’io andro io, teny an-dalana ho any amin’ilay farihy, dia nandalo efitrano iray nandrenesany olona mihira izy, ary nanapa-kevitra hamoha ny varavarana. Mpimamo lava taloha ilay mpitoriteny. Nihaino tsara ny fijoroany ho vavolombelona i Mel, ka nanapa-kevitra hanolotra ny tenany ho an’i Kristy. Nomarihiny mihitsy aza ny ora : tamin’ny 9 ora alina sy 10 minitra. Ny andro saika hamonoany tena dia nanjary andron’ny fanafahana azy !

Telo taona tatỳ aoriana izy dia nanangana sahanasa ho an’ny mpisotro toaka sy ny fianakaviany. Nandritra ny efa-taona nanaraka i Mel sy ny rahalahiny roa dia nanokatra ivon-toerana mitovy amin’izany, miisa enimpolo mahery, manerana an’i Etazonia. Nandritra ny Ady lehibe Voalohany i Mel sy ireo namany dia nampiroborobo misiona teo anivon’ny miaramila amerikana hiantafika any Eoropa. Hitohy mandritra ny Ady lehibe Faharoa io asa io.

Ny fikambanan’izy ireo dia miara-miasa amin’ny ankizy sy ny tanora, indrindra ireo izay avy amina fianakaviana sahirana ara-pivelomana. Isantaona ny fikambanana dia manome sakafo an’arivony, ary manome trano fonenana sy asa ho an’olona an-jatony. Eo anoloan’ny toerana misy azy ireo dia ahitana soratra azo vakina avy lavitra, hoe : „JESUS SAVES” (Mamonjy Jesosy).

Jesosy dia namonjy, nitahiry ary nanafaka an’i Mel Trotter. Eny, Jesosy dia „mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany”.