Alakamisy 15 Janoary 2026
Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao. Ohabolana 3:5
Apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:7
Tsy mahazo antsika matetika ve ny fanahiana ? Zava-manahirana mivangongo, ampitso tsy azo antoka, ary tebiteby mikiky…
Ny Tompo Jesosy anefa dia nilaza izao teny tena mahasoa izao : „Aza manahy ny amin’ny ainareo… Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja… ireny ; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy… Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo ; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy” (Matio 6:25, 26, 34).
Mazava ireo teny ireo, nefa sarotra aoka izany amintsika ny mampihatra azy ireo eo amin’ny fiainantsika ! Andriamanitra anefa mahafantatra antsika, sy ny fahalementsika, ny fisalasalantsika, ny tsy fahampian’ny finoantsika ; ary tiany hatoky Azy tanteraka isika, ho an’ny anio sy ny rahampitso. Mandidy mafy antsika mihitsy aza Izy hoe : „Aza manahy na inona na inona”. „Na inona na inona !” Na adin-tsaina kely na tebiteby mafy dia tsy misy tsy tsinjon’ny fikarakarana mahasoa ataon’Ilay Raintsika any an-danitra ! Tiany fotsiny isika hilaza aminy ny fahasahiranan-tsaintsika, hiresaka aminy amin’ny vavaka : „Fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6-7).
Na eo lalandava aza ny zava-manahirana, dia fantatsika fa henon’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, ary hofenoiny ny fiadanany ny fontsika. Izy no Ilay Ray Tsitoha tia antsika sy mifehy ny zavatra rehetra. Ndao hitoky aminy, sady hiankina amin’ny fitiavany sy ny tsy fiovaovàny.