Alarobia 14 Janoary 2026
Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe : Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona. Matio 16:15-16
Ny finoana kristiana dia Kristy, fantatra sy tiana
Ny tsiambaratelon’ny finoana kristiana, izay mahatonga azy ho velona sy feno hasambarana, dia noho izy tsy mifototra amina foto-pampianarana iray, fa amina Olona iray, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra velona (Soratra Masina etsy ambony ; marina kokoa [DIEM] : Zanak’Ilay Andriamanitra velona). Izany no mampiavaka ny finoana kristiana amin’ireo antokom-pivavahana, sekta ary filôzôfia tsy tambo isaina, izay mamitaka ny mpiara-belona amintsika.
Ny finoana kristiana dia tsy miresaka fanafahana fotsiny, fa kosa Mpanafaka iray ; tsy miresaka famonjena fotsiny koa, fa indrindra indrindra Mpamonjy iray. Hafa tanteraka amin’ny hoe mankatò fehezana fitsipika vitsivitsy na marobe, na mialokaloka eo amin’olona iray fantatra fa manana fitiavana tonga hatrany amin’ny fara tampony !
Ndao hotsarovantsika fa ny harenantsika dia mifantoka amina Olona iray sy ny asany, dia ny nahafatesany sy ny nitsanganany velona indray. Jesosy tokoa ve dia ho fantatry ny mpiara-belona taminy fotsiny ihany ? ary avy eo maty sy tsy eo amin’ireo taranaka nifandimby intsony ? Tsia, tena eo tokoa Izy, ary velona amin’ny vanimpotoana rehetra, amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ny teny farany nataon’i Jesosy talohan’ny nampiakarana Azy ho any an-danitra dia hoe : „Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Nampanantena an’izany Izy, ary mihazona ny teniny. Ny mpino tsirairay dia afaka mijoro ho vavolombelon’izany, eo amin’ny fiainany andavanandro.
Tompo ô, tariho — Ho aminao ny foko,
Maniry Anao aho — Ho tena eo akaikiko.
Ny fanafahana ahy — Ao amin’ny loza,
Dia ny fanatrehanao, — Ry Andriamanitra Mpiandry ondry.