Talata 13 Janoary 2026

Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra. Romana 14:12

 

Ho an’ny hafa !

Nijanona teo amina tranoheva kristiana ity mpitsangantsangana iray. Niresadresaka tam-pitiavana teo izahay. Voaresaka ny fitiavan’Andriamanitra : eny, nanome aina antsika Andriamanitra, ary mihoatra noho izany aza, nanome ny Zanany teo amin’ny hazofijaliana, dia Jesosy, Izay nanefa ny avotry ny maha mpanota antsika… Nihasarotra ny fifampiresahana, nefa nanaiky handray alimanaka iray tahaka ity vakinao ity ilay nifampiresaka tamiko.

Fotoana fohy tatỳ aoriana dia tonga indray izy, ary nafana fo nilaza tamiko fa nomeny ilay mpifanolobodirindrina aminy ilay alimanaka :

— Iny indrindra no tena nilainy…

— Mandraisa àry iray ho anao…

— Misaotra anao, mandra-pihaona indray e !

Tahaka io mpitsangantsangana io, firifiry moa ny olona resy lahatra fa natao ho an’ny hafa ny Filazantsara ! Ho an’ilay mpiara-miasa sarotra iaraha-miaina, ho an’ilay mpiara-monina manitsakitsa-bady, ho an’ireo mpamono olona sy mpangalatra rehetra, sns. Rehefa mampitaha tena amin’ny fihetsik’izy ireny isika, dia mihevitra fa tena mendrika, indrindra raha mijery ny asa soa ataontsika… Nefa Jesosy irery no mahay manafaka antsika !

Izao anefa no lazain’ny Baiboly : „Samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra”. Hoy koa izy : „Tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra” (Romana 3:22-23). Eny, eritreri-dratsy iray fotsiny dia manakana antsika tsy ho eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ! Koa aza mandositra ny sarintsika eo amin’ny fitaratra isika, fa ndao hiaiky ny fahamelohantsika, ary samy handray ho an’ny tenany avy ny hafatra mahatalanjona mitory ny fitiavan’Andriamanitra. Dia ho hentitra isika manambara hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).