Alatsinainy 12 Janoary 2026
Raha nahita Azy (nahita an’i Jesosy) izy (ny ray aman-dreniny) dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy : Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Ianao ? He ! izato alahelon-drainao sy izaho, nitady Anao ! Fa hoy Izy taminy : Nahoana no nitady Ahy ianareo ? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho ? Lioka 2:48-49
Jesosy dia teraka sy niha lehibe tany Nazareta, tao an-tokantranon’i Josefa sy Maria, tokantrano tsotra. Rehefa roa ambin’ny folo taona izy, dia niaraka taminy nankany Jerosalema ny ray aman-dreniny, hankalaza ny fetin’ny Paska. Teny an-dalana hody dia nandeha an-tongotra iray andro manontolo izy ireo, nihevitra fa niaraka tamin’ireo mpiara-dia taminy ny Zanany. Rehefa hitany fa tsy teo Jesosy, dia niverina tany Jerosalema izy ireo, nitebiteby fatratra, ary nitady Azy nandritra ny telo andro. Nony farany Izy dia hitan’izy ireo nipetraka tao an-tempoly, nihaino sy nanontany ireo manampahaizana momba ny fivavahana.
Rehefa hitan’ny ray aman-dreniny Izy dia nanontanian’ny reniny. Tony anefa Jesosy. Nampahafantariny azy ireo fa tokony ho efa fantany hoe tsy maintsy tao an-tranon’ny Rainy Izy, tao an-tempoly. Resy lahatra Jesosy, Izay mbola zaza, fa tao amin’ny toerana tena tian’Andriamanitra Rainy hisy Azy ; izany no nanome Azy fiadanam-po tanteraka, manoloana ny tsy fahatakaran’ny ray aman-dreniny. Izany anefa tsy nisakana Azy tsy hiverina niaraka tamin’izy ireo sy hanoa azy ireo.
Io fihetsika feno fahatoniana nananan’i Jesosy io, dieny tamin’ny fahatanorany, dia afaka hampahery ankizy iharan’ny tsy fahatakaran’ny olona akaiky azy, noho ny finoana kristiana ananany, ao anaty fianakaviana tsy mino, ohatra (izay mazava ho azy fa tsy toetran’ny ray aman-drenin’i Jesosy) : mitoetra ho tony sy matoky an’Andriamanitra, na dia sarotra aza izany, sady mankatò ray aman-dreny, araka ny ohatra lavorary nasehon’i Jesosy.