Alahady 11 Janoary 2026
Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana. Asan’ny Apostoly 17:24
Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. 1 Jaona 5:20
Olona za-draharaha ilay mandray eo amin’ny sampan-draharaha mikarakara fandevenana. Hainy ny mandray ny olona sy fianakaviana nidonam-pahoriana, na aiza na aiza fiaviany, na inona na inona antokom-pivavahany.
— Ny antokom-pivavahana, hoy izy tamiko, dia manampy ny mpino hahazaka ny fahoriany.
— Hay, ny antokom-pivavahana… Aleo Andriamanitra no ianteherana.
— Eny e ! nefa Andriamanitra iza ?
— Fantatrao ve Ilay Andriamanitra marina ? Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao, Ilay tsy noforonin’ny sain’olombelona, ary tsy namela ny tenany ho voahidy ao amina antokom-pivavahana.
Niato kely izy, lasa eritreritra. Tsy fantatro izay hanaovany ny resakay, nefa ve izany tsy misy zavatra tokony hampanontany tena antsika ?
Andriamanitra iza no inoantsika ? Eto amin’ity tontolo misy antsika ity dia misy andriamanitra maro aoka izany, namboarin’ny eritreritr’olombelona…
Nefa, hilaza ianao hoe ahoana no hahafantarana Ilay tena Andriamanitra marina ? Izy anefa efa nampahafantatra ny tenany :
— tao amin’ny zavatra noarìny : ny voary manodidina antsika dia porofo mivaingana maneho ny heriny sy ny fitiavany ;
— tao amin’i Jesosy Kristy : Jesosy Zanany dia naka ny toetra maha olombelona antsika, mba hanehoany an’Andriamanitra amintsika ;
— ao amin’ny Baiboly. Ao no itaoman’Andriamanitra ny tsirairay mba hahafantatra ireo fiheviny, ny fitiavany, ny drafitra nomaniny haha voavonjy antsika ho afaka amin’ny fahafatesana. Izay mihazona ireo teny fampanantenany dia omeny finoana sy fiainana mandrakizay.