Asabotsy 10 Janoary 2026
Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20
Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18
Tamin’ny 23 jona 2018, tany Thaïlande, dia nisy ankizy 12 niaraka tamin’ny mpitarika azy ireo, tafahitsoka tao anaty lava-bato ambanin’ny tany, voasakan’ny rano niakatra. Nisy hetsika lehibe natao, hamonjena ireo olona ireo. Tsy maintsy natao haingana izany, satria nihena ny rivotra ao anatin’ilay lavaka, arakaraka ny andro nifandimby. Nony farany dia tafapaka teo amin’ilay andiana olona tra-boina ihany ireo mpanao ankisitrika, ary nitondra tahiry-na oksizena ho azy ireo. Saingy, nandritra ny dia niverina, dia maty noho ny hasemporana i Saman Kunan, iray tamin’ireo mpamonjy voina, angamba satria tsy tomombana ny fitaovany enti-misitrika. Rehefa tafavoaka dia nihetsi-po ireo ankizy, nahafantatra ny saran’ny nanavotana azy ireo : ny fahafatesan’i Kunan.
Na dia tsy azo ampitahaina amin’ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana aza ny fihetsika mahery fo nasehon’io mpamonjy voina io, dia misy zavatra iray miteny amintsika : nandray anjara tamin’ny famonjena ireo ankizy i Kunan, nitondra ho azy ireo ny oksizena, ilay zavatra tsy nananan’i Kunan ka nahafaty azy.
Taorianan’ny tsy fankatoavan’i Adama, ilay olona voalohany, dia tafapetraka tao amina toerana mampamoy fo ny olombelona, tapaka fifandraisana feno fatokiana tamin’Ilay Mpahary azy, ka miandry ny fahafatesana mandrakizay. Koa tonga tetỳ an-tany Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Niaina fiainana lavorary sy masina Izy, ary taorianan’izany dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Teo Izy no nisolo toerana antsika, niaritra ny fanamelohana sahaza antsika, satria nitondra ny fahadisoantsika teo amin’ny tenany (1 Petera 2:24). Avy teo dia niditra tao amin’ny fahafatesana Izy. Ary telo andro tatỳ aoriana dia nitsangana velona indray.
Mba hanomezany fiainana mandrakizay antsika, dia nanolotra ny ainy Jesosy. Satria tia antsika Izy. Afaka mahazo tombontsoa avy amin’io sorona io ianao, raha mino fa maty ho anao Jesosy.