Zoma 9 Janoary 2026

Tsy fantatrao va ? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy ; tsy takatry ny saina ny fahalalany. Mampahatanjaka ny reraka Izy. Isaia 40:28-29

 

Mahafantatra Ilay Andriamanitra Mpahary

Afaka mahafantatra zavatra betsaka mikasika mpanakanto iray isika, rehefa mandinika ny asany. Dia toy izany koa, afaka mahita ny toetra sasantsasan’Ilay Andriamanitra Mpahary isika, rehefa mandinika izao tontolo rehetra izao. „Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:20).

Koa ahirato ny masontsika. Ny voary dia mitantara ireo toetra mahatalanjon’Ilay Mpahary. Ireo tanin’ahitra tsy taka-maso sy ny habakabaky ny lanitra tsy manam-petra dia milaza amintsika ny halehibeny. Ireo riandrano, ireo tafiodrivotra, ireo afotroa (volcans) dia mampahatsiahy ny heriny. Ireo zavatra hita ara-tsiansa dia maneho ny fahendreny, ny fahaizany mamorona, ary ny hamaro singa ireo asany.

Tsy toy izany koa ve ao amin’ny tontolon’ny biby ? Ny reniakoho miaro ny zanany, ny liom-bavy milalao miaraka amin’ny zanany, dia ahafahana maminavina ireo toetra feno hatsarampanahy sy faharipon’ny Mpahary… Mbola lehibe kokoa noho izany aza, ny fahafaha-manao mahagaga ananan’ny olombelona dia manasongadina ny haranitan-tsaina tsy misy fetran’Ilay Avo Indrindra. Ny fitaratra dia mamerina amintsika ny endrik’Ilay nahary antsika : isika dia hetsehina fahafaha-mamorona, faniriana hifandray amin’ny hafa, ary… amin’Andriamanitra Izy tenany mihitsy.

Misaotra, ry Mpahary Tsitoha ! nanome ahy topy maso momba ny maha Ianao Anao, amin’ny alalan’ny voary sy ny olombelona noarìnao. Ampio aho hahatakatra tsara kokoa Anao sy hiraiki-po bebe kokoa aminao.

Io Andriamanitra Mpahary io dia naneho ny tenany tamina fomba mbola lehibe kokoa aza, tao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Tonga teto amin’ity tany noforoniny ity Jesosy, mba hijaly, ho faty, ary mba hanome antsika fiainana mandrakizay !