Alakamisy 8 Janoary 2026
(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27
Ny andro nialoha ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana no fotoana farany niarahan’i Jesosy akaiky dia akaiky tamin’ny mpianany. Nanomana azy ireo ho amin’ny hialany tsy ho ela Izy, ary nampionona azy ireo am-pitiavana. Nandritra io fanaovam-beloma io, Jesosy dia nanonona teny nanjary nankamamian’ny kristiana amin’ny vaninandro rehetra, hoe :
— „Fiadanana no avelako ho anareo” : Lazain’i Jesosy mialoha ny ho vokatry ny asa hataony eo amin’ny hazofijaliana. Voaonitra sy voavela ny fahadisoan’ireo izay mino Azy ; Izy nisolo toerana azy ireo, niaritra ny fitsaran’Andriamanitra ny ota. Noho izany ny sorona nataony dia mampihavana azy ireo amin’Andriamanitra, Izay notsiratsirain’izy ireo. Milamina ankehitriny ny fieritreretan’izy ireo. Manambara ny Baiboly hoe : „Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1). „Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany fampihavanana” (Kolosiana 1:20). Nalatsaka ny rany, ary neken’Andriamanitra ny sorona nataony.
— „Ny fiadanako no omeko anareo” : io fiteny io dia akaiky kokoa sy miantefa manokana kokoa. „Ny fiadanako”, io dia ilay fiadanana tsapan’i Jesosy Izy tenany mihitsy fony Izy niaina tam-panetrentena tahaka olona, tetỳ an-tany, tao amin’ny toejavatra samihafa taterin’ireo filazantsara amintsika. Io fiadanana io dia avy amin’ny fitokiany tanteraka amin’ny Rainy.
Noho ny finoana an’i Jesosy, ny mpino koa dia mahalala an’Andriamanitra ho Rainy (Jaona 1:12). Koa afaka misitraka ny fiadanana omen’i Jesosy izy, na dia ao anatin’ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana aza.
Amin’ireo herinandro manaraka (isaky ny alatsinainy) isika dia handinika sasantsasany amin’ireo fotoana nanehoan’i Jesosy ny fiadanana mitoetra ao anatiny.