Alarobia 7 Janoary 2026
Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31
Afaka manilika ny Baiboly aho, mihevitra azy ho fitambaran’angano fotsiny, tsy misy lanjany ankehitriny.
Afaka mandray azy koa ho boky tsy fahita firy sy tena kanto aho ; afaka mitanisa azy ary maka azy ho fenitra, nefa tsy misy fiantraikany amiko manokana.
Afaka mihevitra azy ho „tahirim-pahalalana manorina ny finoana kristiana” aza aho, ary maniry hanaraka an’i Kristy ho môdely tahafina. Na izany aza anefa dia mety tsy hanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra akory aho.
Raha mbola tsy nifanena manokana tamin’Andriamanitra aho dia very, lavitra mandrakizay an’Andriamanitra, Izay fitiavana (1 Jaona 4:8).
Nefa kosa, afaka ataoko ny mandray ho tenin’Andriamanitra ireo fanambarana ao amin’ny Baiboly, mamela azy ireo hiditra ato am-poko sy hiasa amin’ny fieritreretako, „mandray azy ireo am-po”. Amin’izay izy ireo dia miteraka aina, manazava ny fanahiko mba ho matsilo fijery ny ao anatiko aho, hitovy fijery amin’Andriamanitra. „Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, … mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” (Hebreo 4:12).
Raha raisiko am-pinoana ny tenin’Andriamanitra, izay tonga mba hanazava ny fanahiko sy haneho amiko an’i Jesosy ho Mpamonjiko, dia misy fifamatorana iankinan’aina miorina eo amiko sy Andriamanitra. Miantso Azy hoe Ray aho, satria nanjary zanany ho mandrakizay. Izany no tanjon’ny Baiboly. Ny olona rehetra nanokatra azy tam-panetrentena, tam-pahalianana sy fahitsiana, dia manenina fotsiny tsy nanao izany taloha kokoa !